• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ici
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sempotra rehefa manao ezaka kely : ireo mety ho antony

29/06/2026 13:05 © Moov.Mg

Zavatra mahazatra ny fahatsapana sempotra rehefa manao ezaka ara-batana mafy na manao fanatanjahantena. Raha miseho kosa nefa izany amin’ny hetsika tsotra na ezaka kely dia mety manondro tsy fifandanjana ao amin’ny vatana. Na dia mety tsy mampidi-doza azy izany amin’ny tranga sasany, dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana mila jerena akaiky kosa amin’ny hafa.

Sempotra rehefa manao ezaka kely : noho ny tsy fahazarana manao fanatanjahantena

Matetika ny olona tsy manao fanatanjahantena dia mety ho mora sempotra kokoa. Rehefa tsy zatra miasa ny hozatra sy ny havokavoka dia tsy mahazaka « oxygène » betsaka. Vokany, na ezaka kely aza dia efa mampiakatra ny tahan’ny fitempon’ny fo sy ny fofonaina, ka miteraka fahasemporana haingana.

Adin-tsaina sy tebiteby

Misy fiantraikany lehibe amin’ny fofonaina ny toe-po sy ny saina. Rehefa mitebiteby na miady saina ny olona iray dia mety hifoka rivotra haingana sy lalina mihoatra ny tokony ho izy izy. Izany moa dia mety hiteraka fahatsapana ho sempotra, fihenjanana amin’ny tratra, na fahatsapana ho tsy ampy rivotra, na dia tsy manao ezaka ara-batana mafy aza.

Tsy fahampian-dra (anémie)

Ny tsy fahampian-dra na « anémie », indrindra ny tsy fahampian’ny « fer », dia iray amin’ireo antony matetika mahatonga fahasemporana. Ny « hémoglobine » ao amin’ny ra no mitondra « oxygène » mankany amin’ny taova rehetra. Rehefa mihena izany dia tsy mahazo « oxygène » tsara ny vatana, ka miteraka havizanana, fahalemena, fanina, ary fahasemporana na dia amin’ny ezaka kely aza.

Olana amin’ny taovam-pisefoana

Ny aretina amin’ny havokavoka toy ny sohika, « bronchite » mitaiza, na aretina hafa amin’ny taovam-pisefoana dia mety hanakana ny fidiran’ny rivotra tsara. Rehefa mihena ny fahafahan’ny havokavoka mandray « oxygène » dia miasa mafy kokoa ny vatana, ka miteraka fahasemporana vao manao ezaka kely fotsiny. Indraindray dia mety miaraka amin’ny kohaka na fivontosan’ny tratra izany.

Olana amin’ny fo sy ny lalan-drà

Ny fo no tompon’andraikitra amin’ny fandefasana ra misy « oxygnène » manerana ny vatana. Raha tsy miasa tsara izy, ohatra raha tratry ny « insuffisance cardiaque », dia mihena ny famatsiana « oxygène ». Vokany, lasa mora reraka ny vatana ary miseho haingana ny fahasemporana, indrindra rehefa mampiasa vatana na manao ezaka.

Fitomboan’ny lanja be loatra

Ny lanja be loatra dia mampitombo ny asan’ny fo sy ny havokavoka. Na hetsika tsotra toy ny mandeha an-tongotra aza dia mila hery bebe kokoa. Izany no mahatonga ny olona matavy loatra ho mora sempotra kokoa rehefa manao ezaka kely.

Lire la suite

Articles Similaires