Fahadisoana mahazatra mikasika ny fitahirizana sakafo ao an-trano
Zava-dehibe ny fitahirizana sakafo araka ny tokony ho izy mba hiantohana ny fahasalaman’ny mpihinana sy hampihenana ny fandaniam-poana. Misy nefa ireo fahazarana mahazatra ao an-trano izay mety hanimba haingana ny sakafo na hampitombo ny « risques » mety hisian’ny fanapoizinana ara-tsakafo. Ireto avy ny fahadisoana fahita matetika tokony tandremana.
Mametraka sakafo mbola mafana ao anaty vata fampangatsiahana
Maro ny olona no mametraka ny sakafo vao avy nahandroina, mbola mafana, ao anaty vata fampangatsiahana. Mety hampiakatra vetivety ny maripana ao anatin’io fitaovana io izany ka hisy fiantraikany amin’ireo sakafo hafa voatahiry ao. Tsara kokoa ny miandry azy hangatsiaka vetivety alohan’ny hampidirana azy ao anaty vata fampangatsiahana, saingy tsy tokony hihoatra ny adiny roa ny fiandrasana, indrindra ho an’ireo sakafo mora simba.
Mitahiry sakafo ela loatra
Na dia ao anaty vata fampangatsiahana aza ny sakafo dia tsy azo tehirizina ela loatra. Ny ambin-tsakafo, ny vokatra vita amin’ny ronono ary ny hena masaka dia samy manana fe-potoana tokony hitehirizana azy. Raha adino ela ao anaty vata fampangatsiahana ny sakafo iray dia mety hitombo ao aminy ny bakteria manimba ka hitarika fanapoizinana ara-tsakafo ny fihinanana izany.
Tsy manara-maso ny maripanan’ny vata fampangatsiahana
Raha avo loatra ny maripana (mafana) ao anaty vata fampangatsiahana dia mora miteraka fitomboan’ny mikraoba izany. Manodidina ny 4°C no maripana tsara indrindra. Tsara ny manamarina tsy tapaka ny fiasan’ny vata fampangatsiahana, indrindra rehefa mafana ny andro.
Mamela sakafo tsy voasarona eny amin’ny rivotra
Ny sakafo avela tsy voasarona eny ambony latabatra na eo amin’ny toerana fikarakarana sakafo dia mety ho tratran’ny vovoka, bibikely na bakteria avy amin’ny tontolo manodidina. Noho izany dia tsara ny manarona azy na mitahiry azy ao anaty fitoeran-tsakafo mihidy tsara.
Mampiasa fitoeran-tsakafo tsy mety
Misy ireo fitoeran-tsakafo tsy mihidy tsara na tsy natao manokana hitahirizana sakafo. Mety hahatonga ny sakafo ho mora simba izany. Ny fampiasana fitoeran-tsakafo madio sy mihidy tsara dia manampy amin’ny fiarovana ny kalitaon’ny sakafo.
Mampifangaro sakafo manta sy sakafo masaka
Mety hiteraka fifindran’ny bakteria ny fametrahana sakafo manta eo akaikin’ny sakafo efa masaka na efa vonona hohanina. Ohatra, ny ranon’ny hena manta dia mety hitondra mikraoba ka handoto sakafo hafa. Tokony hosarahana tsara izy ireo rehefa tehirizina.
Tsy miraharaha ny datin’ny sakafo
Misy olona mbola mihinana vokatra efa ela daty na hoe nihoatra ny daty voasoratra eo amin’ny fonosana. Na dia mety mbola azo hanina aza ny sakafo sasany aorian’ny daty voafaritra, dia ilaina hatrany ny mijery ny fofony, ny lokony ary ny endriny alohan’ny hihinanana azy.




