Fikafika natoraly hikarakarana ny kiho makiana
Isan’ny faritra amin’ny vatana mora maina sy marokoroko ny kiho. Indraindray moa izy io dia mety ho maizina kokoa noho ny hoditra manodidina azy. Toe-javatra fahita izany ary matetika dia vokatry ny fahavitsian’ny « glandes sébacées » mpamokatra « sébum » ao amin’ny hoditry ny kiho no mahatonga azy. Ireto manaraka ireto àry misy torohevitra natoraly afaka manampy amin’ny fanarenana ny kiho makiana sy hamerenana ny fahasalaman’ny hoditra.
Inona no mahatonga ny kiho ho lasa makiana ?
Maro ireo antony mety mahatonga ny kiho ho lasa makiana :
-Tsy fahampian’ny hamandoana (hydratation) ao amin’ny hoditra,
-Fifampikasohana matetika amin’ny akanjo na amin’ny latabatra sy faritra hafa,
-Fandroana amin’ny rano mafana loatra,
-Fampiasana savony mahery,
-Toetr’andro mangatsiaka na maina,
-Aretina sasany amin’ny hoditra toy ny « eczéma » na « psoriasis ».
Rehefa tsy ampy hamandoana ny hoditra dia lasa marokoroko, matevina ary mety hiseho ny triatra madinika.
Ireo torohevitra natoraly hikoloana ny kiho makiana
Maro ireo fikafika natoraly manampy amin’ny fikoloana sy fanarenana ny kiho makiana :
Mampiasa menaka natoraly isan’andro
Ny fanomezana hamandoana ny hoditra zava-dehibe indrindra amin’ny fikarakarana kiho makiana. Anisan’ny menaka natoraly azo ampiasaina ny:
-Menaka voanio na diloilo noho izy manome sakafo sy mampalefaka hoditra.
-Menaka oliva izay manankarena « acides gras » sy « antioxydants ».
-Menaka « amande douce » noho izy mampitony sy manalefaka ny hoditra.
-« Beurre de karité » izay tena mety amin’ny hoditra tena maina.
Aorian’ny fandroana dia hosory menaka na dibera karité kely ny kiho raha mbola somary mando ny hoditra mba hitazonana ny hamandoana.
Manao « gommage » malefaka
Ny fitangoron’ny sela maty ihany koa dia mety hahatonga ny kiho ho lasa marokoroko kokoa. Ilaina arak’izany ny manao « gommage » indray mandeha na indroa isan-kerinandro mba hanalefahana ny hoditra. Azo atao ny manamboatra « gommage » vita amin’ny akora natoraly.
Afangaro ny siramamy iray sotro fihinanana sy tantely iray sotro fihinanana na menaka oliva iray sotro fihinanana. Kosehana moramora amin’io vokatra io ny kiho mandritra ny iray minitra, avy eo sasana amin’ny rano matimaty. Tsy kosehana mafy loatra satria mety hahatonga « irritation » izany.
Arovana amin’ny zavatra manimba azy ny hoditra
Mba hisorohana ny fahamainan’ny kiho dia :
-Fadina ny mandro amin’ny rano mafana loatra,
-Savony malefaka no ampiasaina,
-Akanjo mampahazo aina sy tsy mikiky hoditra no tafiana,
-Tsy miantehitra amin’ny kiho matetika rehefa mipetraka.
Ireo fahazarana ireo dia manampy amin’ny fiarovana ny sosona voajanahary miaro ny hoditra.
Misotro rano ampy
Ny fahasalaman’ny hoditra dia mifandray amin’ny hamandoan’ny vatana. Ny fisotroana rano ampy isan’andro dia manampy amin’ny fitazonana hoditra salama, na dia tsy mahasolo ny fampiasana menaka sy « crème » manamandina hoditra aza izany.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Tsara ny manantona mpitsabo raha mbola tena makiana ny kiho na dia efa karakaraina tsara aza, raha misy fanaintainana, triatra lalina, mena na mangidihidy ny hoditra. Mety hisy aretin-koditra na olana ara-pahasalamana hafa mila fitsaboana manokana izany.




