• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vision Future Nice
Image
Fahalalana Ankapobeny

Mievina rehefa mijery hazavana be : inona no mety mahatonga izany ?

11/06/2026 16:32 © Moov.Mg

Misy olona mahatsikaritra tranga hafahafa : mievina izy rehefa miala tampoka amin’ny toerana maizina ka miditra amin’ny hazavana be, toy ny masoando mamiratra na jiro mahery. Io fisehoan-javatra io dia manana anarana siantifika hoe “réflexe photique d’éternuement”. ‘Ndeha ho resahana eto ny andinindininy mikasik’izany.

Fifandraisana tsy ampoizina eo amin’ny maso sy ny orona

Raha amin’ny fijery tsotra dia toa tsy misy ifandraisany ny hazavana sy ny fievina. Marihana nefa fa mifanakaiky ny toeran’ireo « nerfs » mifehy azy ireo ao amin’ny atidoha. Ny « nerf optique » izay mifehy ny fahitana sy ny « nerf trijumeau » izay mifehy ny orona sy ny fievina dia mety hifangaro na hifanelingelina kely amin’ny fandefasana « signaux ».
Rehefa mahazo hazavana mahery tampoka ny maso, dia mety ho tafiditra ao anaty “fahadisoana kely” ny atidoha ka mandefa hafatra amin’ny « nerf » mifehy ny fievina, ka miteraka fievina tsy fidiny. Izany no mahatonga ny olona sasany mievina indray mandeha na imbetsaka rehefa mivoaka amin’ny masoandro.

« Phénomène héréditaire »

Tsy ny olona rehetra no manao io fisehoan-javatra voalaza io. Tombanana eo amin’ny 10 hatramin’ny 35 % ny olona eran-tany no mety manana azy. Midika izany fa tsy vitsy no voakasik’izany, nefa koa tsy rehetra.
Matetika dia nolovaina avy amin’ny ray aman-dreny izy io. Raha misy ray aman-dreny mievina rehefa mijery hazavana mahery, dia mety hahazo izany « reflexe » izany ihany koa ny zanany. Mampiseho izany fa misy anjara toerana lehibe ny fototarazo amin’ny fiasan’ny « système nerveux ».

Inona no mahatonga azy io tsy mitranga amin’ny olona rehetra ?

Samy hafa ny fomba fifandraisan’ny « nerfs » ao amin’ny atidohan’ny olona tsirairay. Amin’ny olona sasany, akaiky loatra ny lalan’ny « nerfs » mifehy ny maso sy ny orona ka mora “mampifamadika hafatra” izy ireo.
Fa amin’ny olona hafa kosa dia misaraka tsara ireo lalan-kafatra ireo ka tsy misy fiantraikany amin’ny fievina ny hazavana. Noho izany, tsy aretina izy io fa fahasamihafana voajanahary amin’ny vatana sy ny atidoha fotsiny.

Mampidi-doza ve izany?

« Reflexe » tsy mampidi-doza amin’ny fahasalamana ny mievina rehefa mijery hazavana mahery. Na dia mety hanorisory azy izany, indrindra rehefa mitondra fiara na mivoaka tampoka amin’ny masoandro, dia tsy misy loza ara-pahasalamana aterany.
Amin’ny ankapobeny, fihetsika mandeha ho azy ao amin’ny vatana fotsiny izy io, toy ny fievina rehefa idiran’ny vovoka ny orona.

Azo fehezina ve?

Tsy misy fomba afaka manala azy tanteraka, saingy misy torohevitra vitsy azo hanalefahana azy:
-Akipy kely ny maso rehefa mivoaka amin’ny hazavana mahery,
-Manao solomaso miaro amin’ny masoandro,
-Mivoaka miandalana avy amin’ny toerana maizina mankany amin’ny toerana mazava.
Ireo fihetsika tsotra ireo dia afaka mampihena ny fahatairana amin’ny maso ka mety hampihena ny fievina.

Lire la suite

Articles Similaires