• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wrike
Image
Fahalalana Ankapobeny

Nahoana ny olona sasany no sahirana mamita izay zavatra atombony?

11/06/2026 14:17 © Moov.Mg

Maro ny olona manomboka tetikasa iray amim-pahavitrihana : fiofanana, famakiana boky, fanatanjahantena, tetikasa matihanina, « régime »… Rehefa afaka andro na herinandro vitsitsivitsy nefa dia mihena ny fahavononana ka tsy tohizana intsony ilay tetikasa. Toe-javatra fahita matetika izany ary tsy voatery midika hoe tsy manana finiavana. Misy antony ara-tsaina sy ara-piainana maro afaka manazava izany.

Tsy mazava tsara ny tanjona

Isan’ireo antony matetika mahatonga ny olona iray tsy mamita ny zavatra natombony ny tsy fisian’ny tanjona mazava tsara dieny am-boalohany. Izany hoe manomboka zavatra na tetikasa iray nefa tsy fantatra mazava ny tanjona tiana ho tratrarina. Rehefa manjavozavo ny tanjona dia sarotra ny mitazona ny fahavononana mandritra ny fotoana maharitra.
Ohatra : Ny hoe: “Te ho salama kokoa aho” dia tsy mazava tahaka ny hoe: “Handeha an-tongotra 30 minitra aho, in-dimy isan-kerinandro, mandritra ny telo volana.” Ny vahaolana hanatanterahana izany amin’ny fotoana maharitra dia ny fametrahana tanjona mazava sy azo refesina. Zaraina ho dingana madinika mora tanterahina izy ireo.

Mitady vokatra haingana loatra

Antony iray mahatonga ny olona iray tsy havita hatramin’ny farany ny zavatra natombony ny fitadiavana vokatra haingana loatra. Rehefa tsy mahita vokatra eo noho eo dia kivy ary tsy tohizana intsony ilay zavatra natomboka.
Ohatra : Mianatra teny vahiny ny olona iray, nefa kivy rehefa afaka herinandro vitsivitsy satria mbola tsy mahay miteny tsara. Mba hialana amin’izany fahakiviana izany dia mila manaiky fa mitaky fotoana ny fandrosoana lehibe. Miezaka mifantoka amin’ireo fanatsarana madinika isan’andro fa tsy amin’ny vokatra farany fotsiny.

Tahotry ny tsy fahombiazana

Indraindray ny olona dia mijanona alohan’ny hahavitany ny zavatra natombony satria matahotra ny hahita hoe mety tsy hahomby izy. Isan’ireo antony mahatonga olona maro mamela ny nofinofiny sy ny tanjony io tahotra io.
Mba hiadiana amin’izany dia mila tadidiana hatrany hoe ampahany amin’ny fianarana ny fahadisoana. Ny olana sy ny sakana rehetra dia manampy traikefa sy fahalalana vaovao.

Tsy ampy fandaminana

Rehefa tsy voalamina tsara ny tetikasa iray dia lasa toa asa goavana sy sarotra. Mba hisorohana ny fijanonana alohan’ny hahavitany dia ilaina ny manao drafitra tsotra misy asa isan’andro na isan-kerinandro. Azo atao ihany koa ny mampiasa « agenda » na lisitry ny asa atao, efa maro rahateo ny karazana fitaovana sy « applications » azo ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires