• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Gazette Des Communes
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fitandremana atao rehefa mitondra bisikileta an-tanan-dehibe

03/06/2026 15:13 © Moov.Mg

Marihana anio 03 jona ny andro maneran-tany ho an’ny bisikileta. Natao izy io iresahana manokana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny bisikileta noho izy tsy mandany vola, tsy mandoto ny tontolo iainana ary mety ho an’ny fahasalamana. Fotoana ihany koa izao hanararaotana hampahafantarana ireo fitandremana tsara fantatra amin’ny fitondra bisikileta an-tanan-dehibe mba hisorohana ny lozam-pifamoivozana.

Mitondra bisikileta an-tanan-dehibe : halaviro ny « angles morts » ny taxi-be sy kamiao

Isan’ny fitsipika voalohany indrindra rehefa mitondra bisikileta an-tanan-dehibe ny fanalavirana ny « angles morts » an’ireo fiaram-pitaterana lehibe. Ny mpamily taxi-be dia manana tanjona iray: ny hampidina sy hampiakatra malalaka ny mpandeha. Matetika anefa, tsy tsikaritry ny fitaratra jeren’izy ireo (rétroviseurs) ny bisikileta eo amin’ny lafiny havanana na ny atao hoe « angles morts ».
Mba hisorohana ny loza dia fadio ny misongona taxi-be avy any ankavanana rehefa manakaiky fijanonana (arrêt) na sampanan-dalana izy. Tombano mialoha ny hijanonany tampoka ary mialà foana lavidavitra azy. Raha tsy hitanao ao anatin'ny fitaratry ny taxi-be na kamiao (retroviseur) ny mason'ny mpamily, dia midika izany fa izy ihany koa tsy mahita anao !

Jereo mialoha ny lavaka

Efa iaraha mahita sy mahafantatra ny haratsin’ireo lalana maro an-tanan-dehibe eto Madagasikara. Eo ny rarivato malama rehefa avy ny orana, eo ihany koa ireo lavaka tsy ampoizina izay mety hampivily tampoka ny kodiarana na hampianjera. Isan’ireo loza mety hitranga ny fiviviliana tampoka hiala ny lavaka nefa misy fiara misongona avy ao aoriana.
Noho izany, jereo avy lavitra ny lalana eo alohanao mba hahitana mialoha ny mety ho sakana (obstacle). Raha tsy maintsy mivily mankany afovoan-dalana ianao dia jereo haingana ny ao aoriana ary manomeza famantarana mazava amin’ny tanana mba hampahafantarana ny lalana hivilianao.

Ataovy hitan'ny olona tsara ianao, na mbola mazava aza ny andro

Malaky maizina ny andro eto Madagasikara ary matetika dia tsy ampy ny jiro manazava ny lalana. Ny fahalotoan’ny rivotra sy ny orana ihany koa dia mety hampihena ny fahitan’ireo mpampiasa lalana. Manampy betsaka hisorohana ny loza rehefa mitondra bisikileta an-tanan-dehibe ny fanatsarana ny « visibilité ».
Ilaina arak’izany ny manao « gilet jaune » na misalotra akanjo mazava alina rehefa mivoaka ny trano. Asio jiro fotsy tsy mipika eo alohan’ny bisikileta ary jiro mena mipipika eo aorianany. Ny fanaovana akanjo marevaka amin’ny atoandro ihany koa dia manampy ny mpamily fiara hahita anao avy lavitra.

Mahaiza mitazona elanelana amin'ny varavaran-fiara

Betsaka ny fiara mijanona amoron-dalana eny amin'ny faritra be olona toy ny eny Analakely, Behoririka na Ankorondrano. Isan’ny loza mateti-pitranga ety an-tanan-dehibe ny hoe misy mpamily na mpandeha manokatra varavarana tampoka nefa tsy mijery ny aty aoriana.
Noho izany, aza manakaiky loatra ireo fiara mijanona rehefa mitondra bisikileta. Mialà elanelana tokony ho iray metatra eo ho eo amin'ny fiara tsy mandeha. Raha misy fiara mandefa « klaxon » ao aoriananao mba hikisahanao dia aza mikoropaka fa tohizo ny lalanao ka rehefa hitanao fa malalaka tsara vao manome lalana azy.

Lire la suite

Articles Similaires