• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Journal Des Femmes
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ny vokadratsy tsy dia fantatra mety aterak’ireo « recettes naturelles » malaza

29/05/2026 14:22 © Moov.Mg

Maro ny olona tia mampiasa « recettes naturelles », na fikafika natoraly hoy isika, noho izy ireny heverina ho mora atao sy tsy mampidi-doza. Matetika izy ireny ampiasaina amin’ny fikarakarana hoditra, fanalefahana areti-tenda, fikarakarana volo… Na izany aza, tsy midika foana hoe tsy misy voka-dratsy ny hoe “natoraly”. Misy amin’ireo fangaro sy « recettes naturelles » malaza no mety hiteraka olana rehefa ampiasaina be loatra, tsy voafehy ny fatrany, na tsy mifanaraka amin’ny vatana sy hoditra.

Voasary makirana amin’ny hoditra: mety hampisy « irritation »

Matetika ny voasary makirana dia ampisaina amin’ny mony, tasy amin’ny tarehy na hampazava hoditra. Marihana nefa fa « acide » be izy io. Raha ahosotra mivantana amin’ny tarehy dia mety hahatonga ny hoditra hivaramena, mavaivay na mangidihidy, makiana na koa hisy « irritation » maharitra. Ankoatra izay dia mety hahatonga ny hoditra ho mora voan’ny tara-masoandro ihany koa izany ka vao mainka mampisy pentina sy panda amin’ny hodi-tava.

Karibonetra : mety mahery loatra amin’ny hoditra sasany

Maro ny mampiasa ny karibonetra amin’ny karazana « recettes naturelles », indrindra amin’ny fanadiovana hoditra, fanesorana fofona ratsy, na koa fanadiovana nify. Akora mahery nefa izy io ka mety hanova ny fifandanjan’ny hoditra eo amin’ny olona sasany tsy mahazaka azy. Anisan’ireo vokadratsy mety haterany eo amin’ny hoditra ny fahamainana, « irritation », fitomboan’ny mony… Raha ampiasaina matetika amin’ny nify dia mety hanimba tsikelikely ny sosona miaro azy ihany koa.

« Huile essentielle »: voajanahary nefa tena mahery

Betsaka ihany koa ny mampiasa « huile essentielle » amin’ny fikarakarana ny vatana amin’ny andavanandro. Akora natoraly isany tena mahery tokoa nefa izy ireny satria « concentré » be ny singa ao anatiny ka mila fitandremana. Raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy ny « huile essentielle » dia mety hiteraka « allergie », fahamaizan’ny hoditra, aretin’andoha, fahasemporana, na « irritation » amin’ny hoditra. Misy amin’izy ireny moa no tsy mety amin’ny ankizy madinika, vehivavy bevohoka, na olona mora « allergique ».

Tantely: tsy voatery mety amin’ny olona rehetra

Matetika ny tantely dia ampiasaina atao « masque » amin’ny tarehy na hampitoniana ny areti-tenda. Na dia mahasoa aza izy io dia misy olona mety tsy mahazaka azy, indrindra ireo mora « allergique » amin’ny « pollen » na amin’ny vokatra avy amin’ny tantely. Mety hampisy mivaramena na mangidihidy amin’ny hoditra koa izy io raha efa mora « irritée » ilay hoditra.

Ahoana no fampiasana « recette naturelle » amin’ny fomba azo antoka kokoa?

Ireto misy torohevitra tsotra :
-andramo amin’ny faritra kely aloha vao atao betsaka;
-aza atao be loatra ny fatra;
-aza ampiasaina isan’andro raha tsy ilaina;
-ajanony avy hatrany raha misy mavaivay, mangidihidy na mena;
-raha manana hoditra marefo ianao dia tsara kokoa ny mangataka torohevitra amin’ny matihanina.

Lire la suite

Articles Similaires