Fomba fanaovana « poulet caramel vietnamien »
Maro amintsika no mankafy sakafo mamy-masira. Anisan’ireo nahandro mora karakaraina ary tena matsiro ny « poulet caramel vietnamien ». Azo atao laoka tsara izy, nefa koa azo atao tsakitsaky. Araho eto ireo dingana amin’ny fikarakarana azy ao an-trano.
Ireo akora ilaina raha hanao « poulet caramel vietnamien »
Akora amin’ny fandomana ny akoho
-Nofon’akoho 1kg ;
-Tongolo 3 ;
-Tongolo gasy voatoto 1 sotrokely ;
-Sauce de poisson 2 sotrokely ;
-Sauce soya 2 sotrokely ;
-Dipoavatra 2 tsongo.
Ireo akora hafa
-Menaka 3 sotro fihinanana ;
-Siramamy 110g ;
-Ranona voanio 250 ml ;
-Sauce de poisson 4 sotrokely ;
-Sauce soya 1 sotrokely.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Tetehana ny nofon’akoho. Afangaro amin’ireo akora ilaina amin’ny fandomana azy. Avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Rehefa avy nilona ny akoho dia hafanaina ambony afo antonony ny vilany. Arotsaka ny menaka sy ny siramamy ary aroharoana kely. Avela hafana eo mandrapitsonik’ilay siramamy ka mahazo « caramel ». Tandremana tsara tsy ho may ity farany manjary mangidy.
Rehefa vita ny « caramel » dia arotsaka ao ny akoho. Ampiakarina kely ny afo ary aroharoana mandritra ny 1 minitra eo ho eo.
Alefa ao ny ranona voanio, ny sauce de poisson sy ny sauce soya, avy eo aroharoana tsara ary avela hangotraka tsy misarona mandritra ny 15 minitra.
Rehefa akaiky ho masaka dia tokony hihamarihitra ilay saosy, nefa koa tokony hitsiranoka kely ihany. Tohizana mitanika mandrapahazoana ny harihitra tadiavina ilay saosy.
Aroso avy hatrany vao vita.




