• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medadom
Image
Fahalalana Ankapobeny

Sarotin-katsembohana : torohevitra hikarakarana ny hoditra

21/05/2026 16:21 © Moov.Mg

Zavatra voajanahary manampy ny vatana hifehy ny hafanany ny hatsembohana. Saingy, amin’ny olona sasasany dia mety ho be loatra ny hatsembohana, indrindra rehefa mafana ny andro, manao fanatanjahantena, miady saina… Ny hatsembohana be loatra dia mety hiteraka mony, « irritation », fofona ratsy ary olana hafa amin’ny hoditra raha tsy mitandrina tsara. Ireto misy torohevitra tsotra afaka manampy amin’ny fikarakarana ny hoditra raha sarotin-katsembohana.

Diovina tsara ny hoditra, nefa tsy atao mafy loatra

Rehefa be tsemboka dia mora miangona amin’ny hoditra ny loto, ny bakteria ary ny menaka. Noho izany dia ilaina ny manasa tarehy sy vatana amin’ny savony malefaka na vokatra (produit) mifanaraka amin’ny karazan-koditry ny tena.
Tsy tsara anefa ny manasa hoditra amin’ny « produit » mahery loatra na mikiky mafy satria mety hahatonga « irritation » ny hoditra izany. Indraindray aza mety hampitombo ny menaka amin’ny hoditra sy hamparefo azy. Amin’ny ankapobeny dia ampy ny fidiovana maraina sy hariva, ary rehefa avy nampiasa vatana nahatsemboka be.

Hamainina tsara ireo faritra mando

Rehefa avy mandro na avy tsemboka be dia ilaina ny mamafa sy manamaina tsara ny faritra sasany amin’ny vatana toy ny helika, vozona, lamosina, tongotra ary ireo faritra misy fifampikasohan’ny hoditra.
Ny hamandoana maharitra dia mety hiteraka « irritation » eo amin’ny hoditra, hampivaramena azy na koa hitarika aretin-koditra sasany. Tsara kokoa ny mampiasa servieta madio ary mamafa moramora ireo faritra mando fa tsy kosehana mafy.

Safidiana tsara ny akanjo mety

Misy fiantraikany lehibe amin’ny hoditra ny karazana akanjo anaovana rehefa sarotin-katsembohana. Ny lamba matevina na vita amin’ny akora « synthétique » dia mitazona hafanana sy hamandoana ka mahatonga ny hoditra tsy hahazo aina.
Ny lamba landihazo (coton) sy ireo akanjo « respirants » no tsara kokoa satria manampy ny hoditra hiaina. Tsara ihany koa ny manolo haingana ny akanjo lenan’ny hatsembohana mba hisorohana fofona ratsy sy « irritation » amin’ny hoditra.

Hamandinina tsara ny hoditra na dia be menaka aza

Misy olona mihevitra fa tsy mila « crème hydratante » ny hoditra mora tsemboka na be menaka. Rehefa tsy ampy rano nefa ny hoditra dia mety ho mora « irritée » sy mora tratran’ny hafanana.
Tsara ny mampiasa « crème » malefaka sy tsy matavy loatra ary mifanaraka amin’ny hoditra marefo. Sady manamandina ny hoditra izy ireny no manampy azy hiaro tena tsara kokoa.

Tandremana ireo famantarana tsy mahazatra

Indraindray ny hatsembohana be loatra dia mety misy ifandraisany amin’ny olana ara-pahasalamana sasany. Tsara ny manatona mpitsabo raha tampoka be ny hatsembohana, maharitra ela, misy mangidihidy, fofona hafahafa na « irritation » tsy mety sitrana amin’ny hoditra.

Lire la suite

Articles Similaires