• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceramol
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra hisorohana sy hampitoniana ny fahamainan’ny molotra rehefa ririnina

20/05/2026 16:46 © Moov.Mg

Rehefa vanim-potoana ririnina toy izao matetika dia ny molotra no isan’ny faritra voakasiky ny hatsiaka voalohany. Mahatsiaro mifandrirotra, vakivaky, misy hoditra kely miempaka ary indraindray mavaivay na manaintaina mihitsy. Ny hatsiaka, ny rivotra ary ny rivotra maina ao an-trano dia mora manimba ny molotra satria faritra tena marefo izy io. Ireto àry misy fihetsika tsotra afaka manampy hiaro sy hampitony azy.

Fa maninona no maina ny molotra rehefa ririnina ?

Tsy toy ny hoditra amin’ny faritra hafa amin’ny vatana ny molotra. Tsy dia manana menaka voajanahary miaro azy. Noho izany dia mora very hamandoana izy rehefa mangatsiaka ny andro. Ireto avy ireo antony mampamaina ny molotra :
-ny hatsiaka ;
-ny rivotra ;
-ny fanala ;
-tsy fisotroana rano ampy ;
--fahazarana milela-molotra ;
-lokomena na « dentifrice » sasany mety mampisy « irritation » ny hoditra.
Vokany, very rano ny molotra ka lasa marokoroko, vakivaky ary mety haratra mihitsy.

Ireo famantarana fa simba na maina ny molotra

Tsy hoe ratsy endrika fotsiny ny molotra maina fa mety tsy hampahazo aina koa. Anisan’ireo soritr’aretina mety hiseho eo amin’ny molotra makiana :
-fahatsapana mifandrirotra ;
-mivaramena ;
-hoditra kely miala ;
-vakivaky sy marary ;
-mangidihidy na manaintaina ;
-mety handeha rà raha tena simba.
Arakaraka ny mahaela tsy itsaboana azy no vao mainka mampihitatra ny fahamainan’ny molotra.

Fomba tsara hiarovana ny molotra tsy ho maina rehefa ririnina

-Mampiasa baume hydratant matetika. Zava-dehibe ny manosotra « baume » na « crème » manalefaka molotra imbetsaka isan’andro, indrindra alohan’ny hivoaka sy alohan’ny hatory. Tsara raha misy « beurre de karité » ; « cire d’abeille » ; menaka voanio, « huile d’amande douce » sy vitamina E ny akora amin’izy ireny. Ny baume matevina kokoa no mahavita miaro tsara amin’ny hatsiaka.
-Tsy milela-molotra matetika. Na dia toa manamaivana vetivety aza izany, dia vao mainka mampamaina ny molotra ny rora rehefa maina. Izany no mahatonga ilay fahamainana hiverimberina.
-Misotro rano ampy. Na tsy dia mahatsiaro mangetaheta aza rehefa mangatsiaka ny andro dia mbola mila rano foana ny vatana. Indraindray ny molotra maina dia famantarana fa tsy ampy rano ny vatana.
-Arovana ny molotra rehefa mivoaka. Alohan’ny hivoahana amin’ny hatsiaka na rivotra dia tsara raha manosotra « baume » miaro.
-Halavirina ireo vokatra mety mampisy « irritation » ny hoditra. Misy lokomena sasany na « dentifrice » misy alikaola be izay mety hampitombo ny fahamainana sy ny vakivaky. Raha efa simba ny molotra dia aleo mampiasa vokatra tsotra sy mampitony.

Rahoviana no tokony hijery dokotera ?

Raha tsy mety sitrana ny molotra na dia efa manao fikarakarana aza, na misy vaky be eo amin’ny zoron’ny vava, dia tsara manatona mpitsabo. Indraindray mety misy « allergie », « carence » na aretina hafa miafina.

Lire la suite

Articles Similaires