Fialana an-daharana an-tsekoly : Azo entina miady amin’izany ny « cantine scolaire »
Mihamitombo ny isan’ny ankizy miala an-daharana an-tsekoly, araka ny valin’ny fanadihadiana MICS 2024-2025. Isan’ny fomba azo entina miady amin’izany, na amin’ny ampahany ihany aza, ny fampisakafoanana an-tsekoly. Miompana amin’izany indrindra ny atrikasa nomena ny anarana hoe : “SABER – Alimentation Scolaire 2026”, izay nosokafana omaly talata 12 mey 2026.
SABER, Fitaovana stratejika ho an’ny fanabeazana
Nitarika ny lanonana fanokafana ity atrikasa momba ny fampisakafoanana an-tsekoly ity ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, niaraka tamin’ny solontena maharitry ny PAM eto Madagasikara, Tania Goossens. Tanjona amin’ity atrikasa ity ny hanavaozana sy hanamafisana ny politikam-pirenena momba ny fampisakafoana an-tsekoly, izay heverina ho anisan’ny antoky ny faharetan’ny ankizy eny anivon’ny sekoly.
Araka ny fanazavana nomena nandritra ny atrikasa, ny “SABER” dia fitaovana ahafahana manombana ny rafitra sy ny politika momba ny fampisakafoana an-tsekoly. Amin’ny alalan’izany no hamantarana ireo banga sy ireo olana mbola sedraina, ary hamolavolana vahaolana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nambaran’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa fotoana handraisana fanapahan-kevitra sy hametrahana politika maharitra izao atrikasa izao. Nomarihiny fa tsy sakafo tsotra ho an’ny mpianatra ny “cantine scolaire”, fa fitaovana stratejika hiadiana amin’ny fialana an-daharana sy hanamafisana ny faharetan’ny ankizy ao an-dakilasy.
Ankizy misakafo tsara, mianatra tsara kokoa
Anisan’ny tanjon’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka ny hahafahan’ny ankizy rehetra misitraka sakafo eny an-tsekoly, indrindra ireo avy amin’ny tokantrano marefo. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra, ny ankizy misakafo ara-dalàna sy ampy dia mora mifantoka kokoa amin’ny fianarana ary manana vintana bebe kokoa hahavita fianarana.
Raha ny tarehimarika nivoaka tamin’ny fanadihadiana MICS 2024-2025, notanterahin’ny INSTAT niaraka tamin’ny fanohanan’ny UNICEF, dia mbola miatrika olana lehibe ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Nidina ho 46,8% ny tahan’ny fahavitan’ny fianarana eny anivon’ny ambaratonga fototra, raha 55,9% izany tamin’ny taona 2018. Mbola ambany kokoa ny tahan’ny fahavitan’ny fianarana eo amin’ny ambaratonga faharoa, satria 22% monja eo amin’ny ambaratonga faharoa fototra raha13% sisa izany eo amin’ny sokajy taona fahafolo hatramin’ny faha-12. Manoloana izany dia heverina ho iray amin’ireo vahaolana maharitra afaka manampy amin’ny fitazonana ny ankizy ao an-tsekoly ny fanamafisana ny fandaharanasa fampisakafoanana an-tsekoly manerana ny Nosy.




