Fahasimban’ny ala sy fiovan’ny toetr’andro : Karazana tanalahy 78 isa no ahiana ho lany tamingana
Anisan’ireo biby mampiavaka an’i Madagasikara ny tanalahy, saingy na manana toerana lehibe eo amin’ny tontolo voajanahary aza izy ireo, dia maro amin’ireo karazany no tandindomin-doza ankehitriny. Fotoana iray nanaovan’ireo mpiasehatra amin’ny tontolo iainana antso avo, ny mba hiarovana ireo biby tsy manam-paharoa ireo sy ny ala ivelomany, ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanalahy.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanalahy
Nankalazaina ny sabotsy 9 mey teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanalahy. Fankalazana faharoa izy ity, hatramin’ny namoronan’ny fikambanana Wildlife Madagascar izany tamin’ny taona 2024. Tanjona ny hampahafantarana bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny tanalahy sy ny fiarovana azy ireo amin’ireo loza manambana ny fahavelomany.
Madagasikara dia isan’ireo firenena manankarena indrindra amin’ny karazana tanalahy maneran-tany. Amin’ireo karazana maherin’ny 225 fantatra eran’izao tontolo izao dia manodidina ny 100 no tsy hita afa-tsy eto amintsika. Anisan’ireo miavaka ny tanalahy madinika kely antsoina hoe : “Brookesia”. Ao Sorata, ao anatin’ny faritra arovana COMATSA any avaratr’i Madagasikara, no ahitana ny “Brookesia nana”, izay heverina ho tanalahy kely indrindra eran-tany. Ankehitriny anefa dia isan’ireo karazany atahorana ho lany tamingana izy, noho ny fahasimban’ny fonenany voajanahary.
Biby ahiana ho lany tamingana
Na dia mahatalanjona aza ny fahaizan’ny tanalahy miova loko sy miafina ao anatin’ny tontolo manodidina azy, dia tsy mahavonjy azy manoloana ireo tsindry mianjady amin’ny ala sy ny tontolo iainana izany toetrany izany. Raha ny fanazavana navoaka nandritra ity andro iraisam-pirenena ity, dia karazana tanalahy miisa 78 no tandindomin-doza ho lany tamingana amin’izao fotoana izao.
Ny fahaverezan’ny ala no anisan’ny loza lehibe indrindra atrehin’izy ireo. Mihena hatrany mantsy ny ala mando, ny ala amorontsiraka ary ireo ala maina fonenan’ny tanalahy, noho ny tavy, ny fitrandrahana gaboraraka ny hazo ary ny fanitarana ny tany fambolena sy ny toeram-ponenana. Manampy trotraka izany ny fiovan’ny toetr’andro izay manova ny mari-pana sy ny hamandoana ilain’ireo biby mba hivelomana. Mbola olana lehibe koa ny fisamborana tanalahy velona amidy tsy ara-dalàna. Na dia voaaro aza ny ankamaroan’ireo karazana tanalahy eto Madagasikara, dia mbola misy hatrany ny fanondranana an-tsokosoko noho ny filàna avy any ivelany.
Fiarovana ny ala, fiarovana ny tanalahy
Manana andraikitra lehibe eo amin’ny tontolo iainana ihany koa ny tanalahy. Mifehy ny isan’ny bibikely izy ireo, ka manampy amin’ny fitazonana ny fifandanjan’ny zavamananaina. Mariky ny fahasalaman’ny ala ihany koa izy ireo, satria tena mora tohina amin’ny fiovan’ny tontolo iainana. Miparitaka amin’ny karazana ala maro eto Madagasikara ny tanalahy. Ahitana azy ireo ny ala mando any atsinanana, ny ala amorontsiraka, ny ala an-tendrombohitra, ny ala maina any andrefana sy atsimo ary ny ala tsilo any amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Na eny amin’ny faritra be zavona na amin’ny tany maina sy be vato aza dia mbola misy karazana tanalahy afaka mifanaraka amin’izany toe-tany izany hatrany.
Ho an’ny WWF sy ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana dia miankina indrindra amin’ny fiarovana ny ala ny ho avin’ny tanalahy. Raha simba ny fonenany dia ho very miaraka amin’izany ihany koa ireo karazana tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana azy ireo ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Mbola azo atao tsara ny miaro ireo biby mampiavaka an’i Madagasikara ireo, amin’ny alalan’ny fitantanana maharitra ny ala sy ny ady amin’ny fandripahana ala.




