• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fikaonan-doham-pirenen’ny CENI : hanangana fehezan-dalàm-pifidianana tokana i Madagasikara

08/05/2026 15:48 © Moov.Mg

Hiditra amin’ny dingana vaovao eo amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana i Madagasikara. Nambaran’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI) fa hotanterahina amin’ny faran’ny volana mey 2026 ny fikaonan-doham-pirenena karakarainy. Tanjona isan’ny lehibe ao anatin’izany ny hametrahana fehezan-dalàm-pifidianana tokana ho an’ny firenena.

Fanomanana ny fifidianana 2027

Nandritra ny fampahafantarana ny andraikitr’ireo mpikamban’ny birao maharitry ny CENI, androany 8 mey 2026, no nanambaran’ny filohan’ny CENI, Rakotonarivo Thierry, fa hisy ny fikaonan-doham-pirenena momba ny fifidianana. Izany fikaonan-doham-pirenena karakarain’ny CENI izany no isintonana lesona avy amin’ireo fifidianana rehetra efa nitranga teto Madagasikara, mba hanatsarana ny zotram-pifidianana amin’ny ho avy. Hanatanteraka fitsapan-kevi-bahoaka sy fifidianana filoham-pirenena tokoa mantsy isika eto Madagasikara amin’ny taona 2027. Heverin’ny CENI fa ilaina ny fandinihana lalina ny zava-niainana teo aloha, mba hampihenana ireo olana sy disadisa matetika miseho mandritra sy aorian’ny fifidianana.

Fehezan-dalàna tokana no kendrena

Anisan’ny teboka lehibe hivoitra, mandritra ity fikaonan-doham-pirenen’ny CENI ity, ny fametrahana “code électoral” na fehezan-dalàm-pifidianana tokana. Raha ny fanazavan’ny filohan’ny CENI dia mbola tsy nanana izany fehezan-dalàm-pifidianana izany i Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Amin’izao fotoana izao dia mbola miparitaka anaty lalàna sy didim-pitondrana maro samihafa ireo fitsipika mifehy ny fifidianana. Kendrena, araka izany, ny hanangona sy hampiray ireo lalàna rehetra, mba hahazoana rafitra iray mazava sy mora takatry ny rehetra, na amin’ny fifidianana filoham-pirenena izany, na fifidianana solombavambahoaka, na fifidianana eny ifotony, na ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Nomarihin’i Rakotonarivo Thierry fa ilaina ny mampahafantatra ny olom-pirenena ny tena zava-nisy nandritra ireo fifidianana nifandimby teto Madagasikara. “Aleo hapetraka eo ambony latabatra avokoa ny tena zava-nisy tamin’ny fifidianana teto Madagasikara hatramin’izay”, hoy izy. Hampandraisina anjara amin’ity fikaonan-doham-pirenena ity ireo nitantana ny CENI niisa efatra teo aloha, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny Fitsarana misahana ny ady amin'ny Fanjakana (tribunal administratif) ary ireo sehatra maro hafa voakasiky ny fifidianana. Haharitra telo andro ny fihaonana, izay antenaina hitondra fanavaozana lehibe eo amin’ny tontolon’ny fifidianana eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires