Fiofanana : Mpianatra ho manamboninahitry ny Polisimpirenena miofana momba ny ady amin’ny famotsiam-bola
Manaraka fiofanana eny amin’ny biraon’ny SAMIFIN ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy Officier de Police avy amin’ny andiany “Miahi” ao amin’ny ENSP Ivato. Nanomboka ny 11 Mey ka hatramin’ny 13 Mey 2026, izany. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ireo heloka ara-bola.
Atrikasa sy fizaràna traikefa iarahana amin’ny SAMIFIN sy ireo manampahaizana manokana, no hanatanterahana izany.
Fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny fanadihadiana ara-bola
Mitohy ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Mpianatra ho Commissaire de Police sy mpianatra ho Officier de Police avy ao amin’ny Sekoly Ambony ho an’ny Polisimpirenena (ENSP) Ivato no nisitraka fiofanana sy fizaràna traikefa notanterahin’ny SAMIFIN eny Ambohijanaka.
Tarihin’ny Commissaire de Police Andrianirina Fanomezantsoa, lehiben’ny Sampan-draharaha fampiofanana ao amin’ny sekoly, ity atrikasa maharitra telo andro ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahalalan’ireo mpiofana momba ny fanadihadiana ara-bola sy ny famantarana ireo fivezivezen’ny vola mampiahiahy, indrindra amin’ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ireo heloka mifandraika amin’izany.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana tamin’ny alalan’ny lahatenin’Andriamatoa Rabe Anjaralalaina Miandrisoa, Directeur de Recherches et Analyses Financières eo anivon’ny SAMIFIN, izany. Nambarany fa tena ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny SAMIFIN sy ny Polisimpirenena amin’ny fanatrarana ireo tambajotra mpanao famotsiam-bola sy ny fanarahana ireo paikady vaovao ampiasain’izy ireo.
Fampiofanana mifanaraka amin’ny fomba famotsiam-bola maoderina
Lohahevitra maro no velabelarina mandritra ny fiofanana, isan’izany ny fomba fanaovana fanadihadiana momba ny famotsiam-bola, ny famotopotorana ireo heloka ara-bola ary ireo fandikan-dalàna mety hiteraka famotsiam-bola. Hojerena manokana ihany koa ny sehatry ny “crypto-monnaie”, ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana, ny kolikoly ary ny fanadihadiana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna.
Ankoatra izany dia nisy famelabelarana manokana nataon-dRamatoa Ralivololona Hanitra avy ao amin’ny ORG TRAFFIC momba ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ireo biby sy zava-maniry arovana eto Madagasikara. Izany rehetra izany dia hanomanana ireo ho manamboninahitry ireo mba ho matihanina sy hahafehy ireo fanadihadiana ara-bola maoderina rehefa hiditra am-perinasa.




