• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Matsf
Image
Vaovao

Lemak’Antananarivo : Nohalefahana ny fepetra fampiatoana ny fanotofana tany

01/05/2026 09:27 © Moov

Tsy natsahatra ny fampiatoana ny fanotofana tany, fa nisy ny fanalefahana, hoy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson Renée de Rolland, sy ireo Tale Jeneraly avy eto amin’ny Minisitera, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, omaly.

Niverina araka izany ny fanotofana sy fanalana tany saingy tsy maintsy manaraka fepetra. Mbola mipetraka tsy azo atao ny fanotofana tany amin’ny toerana miangon-drano (zone inondable), sy tsy azo hanorenana (zone inconstructible), hoy ny fanazavana. Azo atao kosa ny mitaona ny tany amin’ny toerana ilaina fampiakarana tany (rehaussement), sy ny toerana ilaina tany totofana izay tsy misy rano, sy efa voatsirika ka azo hanorenana (constructible).
Raha tsiahivina dia lany nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra, ny 28 aprily teo ny didim-panjakana momba ny fandinihana sy fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana hanao asa fanotofana tany (remblai) sy fanalana tany (déblai). Tafiditra tao anatin’izany ihany koa ny fitaterana ireo akora mifandraika amin’izany ary ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna atao ao anatin’ny faritra iasan’ny APIPA.
Marihina moa fa efa tamin’ny taona 2022 no nivoahan’ny didy mikasika ny fandrarana fanotofana tany. Rehefa nandinika lalina ny avy ao amin’ny Minisitera mahakasika ilay didim-panjakana tany aloha, izay manasazy ny fikahaona tany na fitaomana izany, dia nahatsapa fa misy ireo tsy tokony ho voasakana amin’ny fanatanterahana, kanefa tsy afaka manatanteraka. Izany no antony nandraisan’izy ireo, ity fepetra vaovao ity.

Tsy maintsy manana fahazoan-dalana

Hahafantarana fa afaka mitaona sy manao fanotofana tany ny olona na orinasa iray dia tsy maintsy manana ny fahazoan-dalana hanototra (autorisation) izay omen’ny Minisitera. Ny fahafahana mahazo izany kosa dia miankina amin’ny fitsirihana hataon’ny Kaomisionina misahana izany. Raha amin’ny Kaominina an-drenivohitra ilay toerana, ary latsaky ny 1000 m2 ny refiny dia ny Kaominina no manome ny fahazoan-dalana hanorina fa raha mihaotra an’izay ny refy, sy mihaotra ny 7 ny rihan’ilay trano dia ny Minisitera no manome izany.
Etsy ankilany dia tsy maintsy voasoratra any amin’ny APIPA, mandoa hetra, manana taratasy ara-dalana fa mpitatitra ary indrindra manana ny fahazoan-dalana hitaona tany, ireo mpamily. Ireo tsy mahazo ny fahazoan-dalana hitatitra kosa dia voasazy : tsy mahazo mivezivezy ny fiara, ampidirina ambalam-pamonjana ary tsy mahazo fahafahana manao fanotofana intsony.
Marihina moa fa efa manomboka amin’izay ny fitsirahana ireo toerana nototofana ary hojerena sy hotakiana amin’izy ireo ny antonta-tantaratasy any aminy. Raha fanotofana amin’ny toerana hatahorana hisy tondra-drano, sy tsy azo hanorenana dia hahazo sazy henjana, ary tsy maintsy haveriny amin’ny endriny teo aloha ny tany

Lire la suite

Articles Similaires