Herinandro Afrikanina ho an'ny fanaovam-baksiny : Amafisina ny ezaka, manoloana ireo valanaretina vaovao
Nanomboka ny 24 aprily 2026, ary haharitra hatramin’ny 30 aprily 2026, ny fankalazana ny Herinandro Afrikanina ho an'ny fanaovam-baksiny. Na dia eo aza ny fivoarana tsara izay tsapa teo amin’ny tontolon’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, mbola manaitra ny rehetra ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka fa mbola tsy ampy izany, manoloana ireo valanaretina vaovao.
Nampiditra vaksiny vaovao
Nomarihina tamin’ny fomba ôfisialy, omaly 29 aprily 2029, teny amin’ny CSB II Ambohidroa, ny Herinandro Afrikanina ho an'ny fanaovam-baksiny 2026, ho an’ny eto Madagasikara, natrehin’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-pahoaka, ny OMS, ary ny UNICEF sy ireo mpisehatra ara-pahasalamana isan-tsokajiny. Nandritra izany no nankasitrahan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Fahasalamana (OMS) ireo dingana goavana efa vitan’i Madagasikara. Anisan’izany ny fampidirana ireo vaksiny vaovao, toy ny fiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza (HPV). Ezaka nisongadina ihany koa ny fampanakaikezana ireo tolotra momba ny vaksiny eny anivon’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Ankoatra izay dia nisy ny fanatsarana ny rohim-pitahirizana sy ny fitaovana (chaîne logistique) ary ny fandefasana ny vaksiny manerana ny Nosy.
Fanatsarana ny tontolon’ny fanaovam-baksiny
Na dia eo aza anefa ireo fivoarana ireo dia saiky niara-niaiky ny rehetra fa mbola tsy ampy ny vokatra azo, raha ampitahaina amin’ny fanamby misy ankehitriny. Lohahevitra nosafidiana ho an’ity taona 2026 ity ny hoe : « Ho an’ny taranaka rehetra, mahomby ny vaksiny », mba ho fampahatsiahivana fa mbola maro ny ankizy sy ny olon-dehibe no tsy mahazo ny fatram-baksiny tokony hositrahiny. Mbola olana goavana mantsy, ohatra, ny fiverenan’ny valanaretina kitrotro mirongatra indray, amin’ny firenena maro maneran-tany, ary isan’ny efa tsy afa-bela tao anatin’izany i Madagasikara. Eo ihany koa ny fisian’ny valanaretina mpox, izay mila fandraisana andraikitra haingana sy feno.
Niompana betsaka tamin’ny haitaky, ho fanatsarana ny tontolon’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, araka izany, ny lanonana notontosaina teny amin’ny CSB Ambohidroa. Ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana dia laharam-pahamehana ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ary tafiditra ao anatin'izany ny fanaovam-baksiny. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra misitraka vaksiny, mba tsy hisy zaza tavela, na iray aza. Nofaranana tamin’ny fanaovana vaksiny ireo zaza teny an-toerana ny fotoam-pankalazana, omaly.


