Fiarahamonim-pirenena : Tokony omena ny tanora ny 30%-n’ny toerana ao anatin’ireo rafitra mpanapa-kevitra
Manoloana ny fitohizan’ny olana ara-pitantanana sy ny fahataran’ny fanavaozana dia miantso fandraisana andraikitra haingana ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanan’ny tanora. Takian’izy ireo ny hanomezana toerana mazava sy fara-fahakeliny 30% ho an’ny tanora ao anatin’ireo rafitra mpanapa-kevitra mandritra ny tetezamita ho amin’ny fanavaozana.
Fanavaozana tsy hita soritra
Enim-bolana taorian’ny fiovan’ny fitondrana dia mitombo ny ahiahin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny vondron’ny tanora. Raha ny nambaran’izy ireo, mbola tsy hita mivaingana ny fanavaozana nampanantenaina, na eo amin’ny rafitra, na eo amin’ny fomba fitantanana. Voalaza fa mijanona ho kabary tsara lahatra ny fanambarana, nefa tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka. Tsikaritra ihany koa, hoy izy ireo, fa manjaka ny fanapahan-kevitra tsy mangarahara ary tsy misy fifampidinihana. Izany toe-javatra izany dia miteraka tsy fahatokisana sy fahatsapana fa tsy mazava ny lalana hizoran’ny tetezamita.
Anisan’ny mampanahy ny fiarahamonim-pirenena ny fiverenan’ireo rafitra sy olona efa voaporofo fa tsy nahomby teo aloha. Voaresaka ihany koa ny fisian’ny fandaniana mihoapampana amin’ny volam-bahoaka sy ny tsy fahampian’ny mangarahara, izay mampitombo ny kolikoly amin’ny ambaratonga samihafa. Etsy ankilany, misy ny fitarainana momba ny fihenan’ny fahalalahana maneho hevitra. Voalaza fa miverina ny faneriterena sy ny fisamborana ireo olom-pirenena, indrindra ny tanora, izay maneho hevitra na mitsikera ny fitondrana. Mety hitarika amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy izany, raha tsy voafehy, hoy hatrany ny fanambarana.
Tanora, afaka mitondra fomba fijery vaovao
Manoloana izany dia mitaky ny hanatanterahana haingana ny fikaonandoham-pirenena na “pré-concertation” ny fiarahamonim-pirenena, mba hamaritana mazava ny zotra sy ny rafitra mandritra ny tetezamita. Ny tanjona dia ny hamolavola “Satan’ny tetezamita ho an’ny Fanavaozana”, izay hamaritra ny paikady sy ny rafitra vaovao hisolo ireo efa tsy mahomby. Anisan’ny soso-kevitra ny fanoloana ireo rafitra toy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Antenimierampirenena ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, izay heverina ho sakana amin’ny fanavaozana raha amin’izao endriny izao.
Isan’ny nisongadina tamin’ny fanambarana ny fitakiana ny hanomezana toerana lehibe kokoa ho an’ny tanora. Takian’izy ireo ny hisian’ny, fara-fahakeliny 30% amin’ny solontenan’ny tanora, ao anatin’ireo rafitra mpanapa-kevitra mandritra ny tetezamita. Araka ny fanazavana, ny tanora no isan’ny herivelona afaka mitondra fanavaozana sy fomba fijery vaovao. Noho izany dia tsy tokony ho mpijery fotsiny izy ireo, fa ho mpandray fanapahan-kevitra mivantana.
Ady amin’ny kolikoly sy fitsinjaram-pahefana
Ankoatra izay dia notsindrian’ny fiarahamonim-pirenena ny maha-zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny alalan’ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra. Takiana ny fametrahana lalàna hahafahana mahazo vaovao ara-panjakana sy ny fiarovana ireo mpisintona lakolosy. Eo ihany koa ny fitakiana ny fampiharana marina ny fitsinjaram-pahefana, amin’ny alalan’ny fanomezana fahefana sy tetibola bebe kokoa ho an’ny eny ifotony, toy ny kaominina, mba hahafahany mamaly haingana ny filàn’ny mponina eny ifotony.
Nofaranan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny tanora tamin’ny antso mivantana ho an’ny Filoham-pirenena ny fanambarana. Araka ny nambaran’izy ireo dia ilaina ny fahasahiana politika hametraka tetezamita tena mitondra fanavaozana, ary rafitra vaovao mampiditra ny tanora amin’ny fanapahan-kevitra. Raha tsy tanteraka izany, hoy izy ireo, dia hitohy hatrany ny olana efa nisy nandritra ny taona maro, ka tsy hahatafavoaka an’i Madagasikara amin’ny fahantrana sy ny tsy fahombiazana.


