• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Drasa Menabe
Image
Vaovao

Fampiatiana : Vehivavy manana fahasembanana miisa 25 nisitraka fiofanana momba ny fanodinana vokatra

30/04/2026 14:24 © Moov

Isan’ny tanjona amin’izao fotoana izao ny fampiroboroboana ny fampiatiana. Tafiditra ao anatin’izany ezaka izany dia vehivavy manana fahasembanana miisa 25 no nisitraka fampiofanana momba ny fitehirizana sy fanodinana vokatra ara-pambolena, tao amin’ny faritra Menabe.

Fanatsarana fari-piainana sy fampandrosoana

Manana andraikitra sy adidy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny olona rehetra, tsy ankanavaka. Hahafahana manampy tosika ireo olona marefo, amin’izany, dia tohanana amin’ny fomba maro samihafa izy ireo. Ho an’ireto tao amin’ny faritra Menabe ireto dia fampiofanana mikasika ny fanodinana sy fitehirizana ny vokatry ny tany no natolotra azy ireo. Tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fanohanana ny vehivavy, ny tanora, ary ireo marefo ho fampandrosoana maharitra sy fanatsarana ny fari-piainana izany. Izy ireo moa dia vehivavy avy amin’ny fikambanana AFHAM (Association des Femmes Handicapées de Madagascar) , avokoa.
Tanjon’ny fampiofanana ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo amin'ny alalan'ny fanomezana lanja ireo vokatra manakarena otrik'aina. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo vehivavy manana fahasembenana amin’ny fanodinana vokatra ary ny fampitomboana ny fidiram-bola sy ny fahaleovan-tenan’izy ireo.

Notolorana fitaovana madinika

Mba hahafahan’izy ireo miasa avy hatrany, aorian’ny fampiofanana dia notolorana fitaovana, afaka ampiasaina avy hatrany izy ireo. Nahitàna kojakojan-dakozia toy ny : fatana mitsitsy ADES, vilany, koveta inox, antsy, lapoaly saba, famoasana legioma, "bocal, "séchoir, karazana kojakoja madinika fampiasa ao an-dakozia ary “tamis plat”. Afaka hanao fampiharana sy hanomboka avy hatrany ny asa famokarana sy fanodinam-bokatra, izy ireo, amin’ny alalan’ireo fitaovana.
Nomarihina fa izany rehetra izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny PROGRES, ny SSAN (Service Securité Alimentaire et Nutritionnelle) eo anivon'ny Minisitera, ny DRASA Menabe, ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Menabe ary io fikambanana io. Ity hetsika ity moa dia azo lazaina ho porofo fa tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny tontolon'ny famokarana fahasembanana.

Lire la suite

Articles Similaires