Fanatanjahantena sy « hémophilie »: afaka miaraka rehefa voalanjalanja
Nandritra ny fotoana ela dia noferana tsy anao fanatanjahantena ny olona « hémophile ». Izany dia noho ny tahotry ny fandehanan-dra, indrindra ao anaty na amin’ny tonon-taolana, ka nahatonga azy ireny hisafidy hiaina anaty fitandremana fatratra. Ankehitriny anefa, miova izany fomba fijery izany. Amin’izao Andro Maneran-tany ho an’ny « hémophilie » izao dia zava-dehibe ny mampahatsiahy fa ny fanatanjahantena, raha voafehy tsara, dia mety ho tena manampy ny olona voan’ity aretina ity.
Inona no loza mety hitranga ?
Ny « hémophilie » dia aretina vokatry ny olana eo amin’ny « coagulation » ny rà. Izany hoe misy tsy fahatomombanana mahatonga ny rà tsy ho mandry araka ny tokony ho izy. Midika izany fa na ratra kely aza dia mety hiteraka fandehanan-dra maharitra, ary indrindra mety hisy rà mivangongo ao anaty, toy ny ao amin’ny tonon-taolana.
Misy fanatanjahantena sasany no mampitombo ny « risques », indrindra ireo misy fifandonana toy ny baolina kitra, rugby, na ady totohondry. Ny dona sy ny fianjerana dia mety hampitombo ny « risques » hiteraka fandehanan-dra, ka matetika dia tsy tokony anao azy ireny ny olona « hémophile », indrindra raha tsy misy fanaraha-maso ara-pahasalamana manokana.
Inona no mety ho tombontsoan’ny fanatanjahantena eo amin’ny olona « hémophile » ?
Maro ny soa azo avy amin’ny fanaovana fanatanjahantena tsy tapaka eo amin’ny olona « hémophile ». Ny fanatanjahantena dia manamapy ny hozatra ary manampy amin’ny fiarovana ny toton-taolana izay faritra tena mora voa amin’ny olona manao « hémophilie ». Rehefa matanjaka ny vatana, dia mihena koa ny mety ho ratra.
Ankoatra izay dia misy fiantraikany tsara amin’ny saina ihany koa ny fanatanjahantena: mampitombo fahatokisan-tena, mampihena adin-tsaina, ary manampy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Ho an’ny ankizy sy ny tanora, tena ilaina ny fahafahana mandray anjara amin’ny hetsika ara-batana miaraka amin’ny hafa.
Inona no fanatanjahantena tsara kokoa ho an’ny olona manao « hémophilie » ?
Tsy mitovy ny « risques » amin’ny fanatanjahantena rehetra. Ireo atao hoe “malefaka” na tsy misy fifandonana be no mety kokoa, toy ny:
-Filomanosana,
-Bisikileta,
-Dia an-tongotra,
-Yoga.
Ireo karazana fanatanjahantena ireo dia manampy amin’ny fanamafisana vatana sy fandrindrana (coordinations), nefa mampihena ny « risques » ny haratra.
Zava-dehibe ny fanaraha-maso
Tsy azo atao fahatany na tsy ampiheverana ny fanaovana fanatanjahantena raha voan’ny « hémophilie ». Ilaina ny fanaraha-maso ara-pitsaboana tsy tapaka, indrindra amin’ny fanitsiana ny fitsaboana (toy ny fampidirana “facteurs de coagulation”). Tokony hifampidinika amin’ny mpitsabo foana alohan’ny hisafidianana fanatanjahantena iray.
Ilaina ihany koa ny fianarana ny mikasika io aretina io, toy ny fahafantarana ny soritr’aretin’ny fandehanan-dra, fahaizana ny tokony atao haingana raha misy olana, ary ny fahaizana mampifanaraka ny « exercices » amin’ny toe-batana.



