• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Blog Autour Du Gateau
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « donuts » na donaty malefaka vita an-trano

15/04/2026 16:44 © Moov.Mg

Ny « donuts », na donaty hoy isika, dia karazana « beignets » avy any Etazonia. Samy mankafy azy io avokoa ny ankizy sy ny lehibe noho izy matsiro sy mahavoky tsara. Efa maro moa ny mpivarotra ahitana azy ireny eto amintsika ary samy manana ny fomba fanaovany azy izy ireo. Ny fomba fikarakarana « donuts » vita ao an-trano amin’ny fomba amerikana no atoro antsika eto. Araho àry !

Ireo akora ilaina raha hanao « donuts » amin’ny fomba amerikana

Ho an’ny paty
-Lafarinina 500 g,
-Siramamy 80 g,
-Sira 10 g,
-Levure boulangère 10g,
-Atody 2,
-Ronono matimaty 250 ml,
-Dibera 80 g (malemy),
-Lavanila 1 sotrokely,
-Menaka hanendasana.
Ho an’ny glaçage (tsy voatery fa tena matsiro)
-Siramamy vovony 200 g
-Ronono 3–5 sotro lehibe
-Vanille 1 sotrokely

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Arotsaka ao anaty ronono matimaty ny leviora sy siramamy kely. Avela hipetraka 10 minitra mandrapaha misy « bulles ». Midika izany fa efa miasa ny leviora.
Miditra amin’ny fanaovana ny paty. Atao anaty lovia jobo lehibe na saladier ny lafarinina, siramamy sy sira. Arotsaka ao manarak’izay ny atody, ronono misy leviora, lavanila (raha tiana). Afangaro dia alefa ao tsikelikely ny dibera sady tohizana afangaro ihany. Fetafetaina mandra-pahazoana paty malefaka sy somary miraikitra.
Saromana ny paty ary avela hipetraka mandritra ny adiny 1 hatramin’ny 2 ora. Tokony hitombo avo roa heny. Rehefa vita izay dia velarina ny paty ka tokony eo ho eo amin’ny 1sm eo ny hateviny. Atao mahazo endrika boribory amin’ny alalan’ny « emporte-pièce » na vera dia asiana lavaka eo afovoany.
Afanaina ny menaka anaty lapoaly na vilany saba. Endasina 1 hatramin’ny 2 minitra isaky ny lafiny ny « donuts » mandra pahazoany loko. Tsy atao mafana loatra ny menaka sao may ivelany.
Avela hangatsiaka kely. Asiana « glaçage » eo amboniny. Tsotra ny fanaovana ny « glaçage ». Maka siramamy vovony manify (sucre glace), asiana ronono kely sy lavanila.

Lire la suite

Articles Similaires