• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Rarintsaina sy fahaketrahana eo amin’ny tanora : ‘ndeha ho resahana !

15/04/2026 15:54 © Moov.Mg

Toe-javatra mahakasika tanora sy zatovo maro ny rarintsaina sy ny fahaketrahana nefa dia tsy voaresaka firy ny mikasik’izany. Mety hisy fiantraikany lalina amin’ny fiainana andavanandro sy ny fahasalamana ara-tsaina nefa izy io ka tsara hatrany ny mamantatra ireo antony mety mahatonga azy, ny fisehony sy ny tokony atao manoloana izany.

Ny antony mahatonga ny adin-tsaina amin’ny tanora

Maro ny antony mahatonga ny adin-tsaina amin’ny tanora sy ny zatovo. Ny fiandrandrana vokatra tsara amin’ny fianarana, miaraka amin’ny tahotra ny tsy fahombiazana, no isan’ireo loharanon-tsindry lehibe eo amin’izy ireo. Ankoatra izay dia mety mampitombo ny rarintsaina ihany koa ny fifandraisana ara-tsosialy, indraindray sarotra noho ny faniriana ho eken’ny hafa sy ny tahotra ny ho voahilika.
Etsy andaniny moa dia manana anjara toerana lehibe ihany koa ny fiparitahan’ny tambajotra sosialy. Ny fampitahana tena amin’ny hafa, ny fitadiavana fankasitrahana amin’ny alalan’ny “likes”, ary ny fijerena ireo karazana toe-javatra toa mampilendalenda nefa tsy tena izy akory dia mety miteraka fitsiriritana sy hampihena ny fahatokisan-tena. Ny ankamaroan’ny tanora sy ny zatovo dia mbola tsy mahay mandanjalanja ny tena marina sy ny diso ary koa ny fihetseham-po ka mora tratry ny rarintsaina.

Ny fahaketrahana : aretina mangina

Rehefa maharitra sy tsy voafehy ny rarintsaina dia mety hitarika ho amin’ny olana lehibe kokoa, toy ny fahaketrahana na « dépression ». Izy io moa dia miseho amin’ny alahelo maharitra, fahaverezan’ny fahalianana amin’ny zavatra nahafinaritra taloha, olana amin’ny torimaso, havizanana tsy mety misinda, ary indraindray eritreritra ratsy na eritreritra hamono tena.
Amin’ny tanora sy ny zatovo dia sarotra fantarina matetika ny fahaketrahana satria mety hafangaro amin’ny fihetsika heverina ho “ara-dalàna” amin’io vanim-potoana io, toy ny fahasorenana na ny fitokana-monina. Na izany aza, mety hiteraka voka-dratsy lehibe izany ary mety hisy fiantraikany amin’ny fianarana, ny fifandraisana amin’ny olona manodidina ary ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.

Ny fiantraikany eo amin’ny fiainana andavanandro

Mety hisy fiantraikany lalina amin’ny fiainan’ny tanora sy ny zatovo ny rarintsaina sy ny fahaketrahana. Eo amin’ny lafiny fianarana dia mety hiteraka fahaverezan’ny fifantohana, fahasahiranana amin’ny fianarana ary tsy firaharahiana tsikelikely. Eo amin’ny lafiny ara-tsosialy kosa dia mety hitarika fitokana-monina sy fahaverezan’ny fahatokisan-tena.
Rehefa ela ny ela dia mety hampitombo ny « risques » hisian’ny aretina ara-tsaina na ara-batana hafa, toy ny tebiteby maharitra na olana amin’ny fitondran-tena ny rarintsaina sy ny fahaketrahana eo amin’ny tanora raha toa ka tsy voaray an-tanana ara-dalàna.

Fisorohana sy fanohanana

Zava-dehibe amin’ny ady amin’ny rarintsaina sy ny fahaketrahana eo amin’ny tanora sy ny zatovo ny fisorohana. Ilaina ny manome tontolo feno fiahiana sy fanohanana azy ireny, na any an-tsekoly na ao an-trano, mba hahafany maneho ny fihetseham-pony sy mahazo fihainoana.
Ny fanabeazana ara-pihetseham-po dia afaka manampy ny tanora hahatakatra sy hitantana tsara ny fihetseham-pony. Manampy betsaka amin’ny fanamafisana ny hery hietrahana olana eo amin’izy ireny ny famporisihana azy hahanana fomba fiaina ara-pahasalamana, toy ny sakafo voalanjalanja, fanatanjahantena tsy tapaka ary torimaso ampy.

Lire la suite

Articles Similaires