Fiarovana ny zon’ny ankizy : nanamafy ny fiaraha-miasa ny UNICEF sy ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka
Hiara-hiasa akaiky amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy, indrindra manoloana ireo trangana herisetra, ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka (Médiature de la République) sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Nivoitra izany, nandritra ny fihaonana notanterahina omaly 20 febroary 2026 teo amin’ny roa tonta.
Mirongatra ny fanolanana
Mihatra eto Madagasikara ny lalàna laharana faha-2024-001 tamin'ny 26 febroary 2024, momba ny fanolanana. Ny tena misongadina amin'ity lalàna ity dia ny fampidirana ny famosirana ho isan’ireo sazy ampiharina amin’ireo olona voaporofo fa nanolana zaza tsy ampy taona. Noheverina fa hampihena ny trangana fanolanana misy eto Madagasikara ny fandaniana ity lalàna ity, izay raha tsiahivina dia niteraka fanakianana avy amin’ireo mpiaro ny zon’olombelona isan-tsokajiny. Tsy araka izay loatra anefa ny vokatra azo, raha ny antontan’isa isan-karazany, fa toa vao mainka miseho lany etsy sy eroa ny herisetra ara-nofo. Isan’ny lasibatra amin’izany ireo ankizy tsy ampy taona, na lahy, na vavy.
Araka ny antontan’isa avy eo anivon’ny Centre Vonjy Befelatanana, niparitaka tamin’ity herinandro ity, dia nahatratra 180 sahady ny isan'ireo trangana fanolanana nandalo tao amin'ny Centre Vonjy nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 2026 ka hatramin'ny talata 17 febroary lasa teo. Nisy namoy ny ainy miisa roa aza, tamin’ireo noraisin’ity ivon-toerana miandraikitra ny trangana herisetra ara-nofo ity an-tanana, izay zazavavikely 6 taona sy 5 taona.
Fiarovana ny zon’ny ankizy
Manoloana ny tranga toy izao, sy ireo endrika herisetra hafa mety hahazo ny ankizy, dia hiara-hiasa ny Mediatioran’ny Repoblika Malagasy sy ny (UNICEF). Nisy ny fihaonana teo amin’ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, ny Profesora Andrianaivotseheno Ravaka, sy ny Solontena maharitry ny UNICEF eto Madagasikara, Ramatoa Christine Jaulmes. Napetraka nandritta ny fifampidinihana ny paikady hanamafisana ny fisorohana ireo olana miendrika herisetra ara-môraly sy ara-batana, miaraka amin’ny fanohanana ara-pahasalamana sy ara-tsôsialy ho an’ireo iharan’izany, araka ny tatitra nampitain’ny avy eo anivon’ny Mediatoran’ny Repoblika. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa, izay hifantoka amin’ny fijerena ireo rantsam-piarovana sy ireo tolotra eny ifotony manerana ny Faritra, mba hahafahan’ny ankizy misitraka fiarovana sy fitsinjovana ara-drariny. Ankoatra ny herisetra ara-nofo moa dia misedra karazana herisetra hafa ihany koa ny ankizy maro eto Madagasikara. Araka ny antontan’isa nozarain’ny UNICEF, dia ny 20%-n’ny ankizivavy malagasy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona no efa niharan’ny herisetra ara-batana. Ny 39%-n’ny ankizivavy malagasy ihany koa no nampanambadiana alohan’ny faha-18 taonany.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny Mediatioran’ny Repoblika Malagasy, na ny Mpiahy an-drariny miaro ny zon’ny vahoaka, dia andrim-panjakana nijoro tao anatin’ny vanim-potoanan’ny krizy, tamin’ny taona 1991. Amin’ny ankapobeny dia mpanelanelana ny vahoaka sy ny mpitondra no andraikitra sahaniny. Mandray ny fitarainan'ny olom-pirenena izay mahatsapa ho niharan'ny tsy rariny amin'ny raharaham-panjakana izy, toy ny olana amin'ny taratasy, fisotroan-dronono, na fanapahan-kevitra tsy ara-dalàna. Araka izany, manana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana ny ankizy ihany koa ny Mediatoran'ny Repoblika, ka amin’izany dia miara-miasa akaiky amin'ireo sampan-draharaha manokana misehatra amin’izany zon’ny ankizy izany izy.




