Hery fiarovan’ny vatana : ireo honohono sy ny tena zava-misy mikasik’azy io
Sery miverimberina, havizanana maharira, aretina miseho matetika amin’ny vanim-potoana mangatsiaka… Lasa mampiasa saina ny maro ny mikasika ny hery fiarovana, indrindra taorian’ny valan’aretina COVID-19. Maro ireo torohevitra sy vahaolana re etsy sy eroa milaza fa afaka « manamafy » na « manatsara » tampoka ny hery fiarovana, ka indraindray lasa sarotra ny manavaka ireo tena mifototra amin’ny siansa sy ireo hevitra fotsiny ihany. Araho àry ny fanazavana momba ireo honohono mahazatra… sy ny zava-misy marina.
Honohono voalohany : Afaka “ampitomboina” tampoka ny hery fiarovan’ny vatana
Ny zava-misy : tsy mitovy amin’ny hozatra ny hery fiarovan’ny vatana ka azo « hampitomboina » fotsiny. Rafitra sarotra misy sela sy taova ary singa maro izay miara-miasa izy io, ka mila fifandanjana. Ny fampitomboana azy avy aty ivelany dia mety hisy vokadratsiny satria raha be loatra ny fanoherana ataon’ny hery fiarovana dia mety hiteraka « inflammations chroniques » na « maladies auto-immunes » izany.
Ny azo atao kosa dia ny manohana ny fiasan’ny hery fiarovana ara-dalàna amin’ny alalan’ny fampiharana fomba fiaina ara-pahasalamana.
Honohono faharoa : misoroka sery hatrany ny vitamina C
Ny zava-misy : Tsy voaporofo fa misoroka sery foana ny vitamina C. Na izany aza, amin’ny olona sasany (toy ny atleta na ireo manana tsy fahampiana vitamina), dia mety hampihena kely ny faharetan’ny soritr’aretina izy io.
Amin’ny ankapobeny, raha mihinana voankazo sy legioma ampy isika dia efa mahazo vitamina C sahaza ny vatana. Tsy voatery hihinana « compléments » mitahiry vitamina C arak’izany raha tsy misy tsy fahampiana hita mazava. Raha efa voan’ny sery kosa dia mety manampy amin’ny fiadiana sy fampisindana ireo soritr’aretina malaky kokoa ny vitamina C omen’ny mpitsabo.
Honohono fahatelo : Arakaraka ny ifandraisana amin’ny mikraoba no mahatonga antsika ho mora marary
Ny zava-misy : Mifanohitra amin’izany aza matetika ny zava-misy. Mianatra miaro tena amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny mikraoba ny hery fiarovan’ny vatana. Eo amin’ny ankizy moa, indrindra indrindra, raha tena madio tafahoatra ny tontolo iainana dia mety tsy hahazo fahafahana ampy hivelarany ny hery fiarovana.
Tsy midika anefa izany fa tsy ilaina ny fahadiovana. Zava-dehibe hatrany ny fanasana tanana sy ny fitandremana ara-pahasalamana.
Honohono faha efatra : Ny hatsiaka no mahatonga aretina
Ny zava-misy : Tsy ny hatsiaka mivantana no mahatonga aretina fa ny viriosy. Saingy rehefa mangatsiaka ny andro dia matetika mifampikasoka bebe kokoa ny olona an-trano ka mora miparitaka ny otrikaretina. Ankoatra izay, ny rivotra mangatsiaka sy maina dia mety hampalemy ny lalan-pisefoana ka manamora ny fidiran’ny viriosy.
Inona àry no tena manampy ny hery fiarovan’ny vatana ?
Tsara kokoa ny miantehitra amin’ireo fototra efa voaporofo mikasika ny fanohanana ny hery fiarovan’ny vatana. Anisan’izany ny :
-Torimaso ampy sy milamina. Ny tsy fahampian-torimaso dia mampihena ny fahaizan’ny vatana miaro tena.
-Sakafo voalanjalanja sy isan-karazany. Voankazo, legioma, voamaina, tsaramaso, menaka mahasalama… Ireo no manome vitamina sy otrikaina ilain’ny vatana sy mampatanjaka ara-boajanahary ny hery fiarovana.
-Fanatanjahantena tsy tapaka. Raha atao amin’ny antonony sy tsy mihoa-pampana, dia manampy amin’ny fivezivezen’ny sela mpiaro ny vatana.
-Fifehezana ny adin-tsaina. Ny adin-tsaina maharitra dia mety hampiakatra ny hormonina atao hoe « cortisol ». Ity farany dia manakana na mampihisatra ny fiasan’ny hery fiarovana.




