• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Fitondrana vohoka tara : zava-misy ara-pitsaboana sy hevi-diso mikasika izany

12/02/2026 10:59 © Moov.Mg

Mihamaro ankehitriny ny vehivavy misafidy ny hiteraka aorian’ny faha 35 taona, ary indraindray aza aorian’ny faha 40 taona. Maro ny antony mahatonga izany : fanohizana fianarana, fikatsahana toerana tsara amin’ny asa, taraiky vao nahita ny vady sahaza… Na dia efa mahazatra kokoa sy voakarakara tsara ara-pitsaboana aza ny fitondrana vohoka tara, dia mbola misy fanontaniana, ahiahy ary hevi-diso ihany manodidina azy. Inona ary no tena lazain’ny fitsaboana ?

Rahoviana no lazaina fa tara ny fitondrana vohoka ?

Amin’ny sehatra ara-pitsaboana, ny fitondrana vohoka dia heverina ho tara manomboka amin’ny faha-35 taona. Tsy midika akory izany fa lasa mampidi-doza avy hatrany ilay vohoka, fa manondro fotsiny fa manomboka miakatra tsikelikely ny risika ara-statistika sasany amin’io taona io.
Zava-dehibe anefa ny mahafantatra fa tsy ny taona fotsiny no mamaritra izany. Ny toe-pahasalamana ankapobeny, ny tantara ara-pahasalamana teo aloha, ny fomba fiaina ary ny fanaraha-maso ara-pitsaboana ny bevohoka dia mitana anjara toerana lehibe ihany koa.

« Fertilité » : mihena tsikelikely nefa kosa tsy voatery mitovy ho an’ny rehetra

Hevi-diso ny filazana fa mihena tampoka ny fahafahana miteraka na « fertilité » eo amin’ny vehivavy manomboka ny faha 35 taonany. Raha ny marina dia mihena tsikelikely izy io manomboka amin’ny faran’ny faha 20 taona, ary mihamafy kokoa manodidina ny faha 37-38 taona. Ny fihenan’ny isan’ny atodinaina sy ny kalitaony no mahatonga izany.
Na izany aza nefa dia tsy mitovy izany eo amin’ny vehivavy rehetra. Misy ireo afaka bevohoka ho azy na dia 40 taona aza, fa misy kosa sahirana mahazo zaza ny latsak’io taona io. Efa misy moa ankehitriny ny teknika fanampiana amin’ny fiterahana (AMP), na dia mihena ihany koa aza ny taham-pahombiazany rehefa mitombo ny taona.

Inona avy ireo risika ara-pitsaboana tena misy?

Rehefa mitombo ny taonan’ny reny, dia mitombo ara-statistika ihany koa ny risika sasany:
-Fitomboan’ny risika amin’ny tsy fahatomombanana ara-kromosoma, toy ny « trisomie 21 » ;
-Fitomboan’ny mety hisian’ny fahafahan-jaza (fausse couche) ;
-Fisian’ny tosidrà avo sy diabeta mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Fitomboan’ny mety hiterahana aloha loatra (accouchement prématuré) na hanaovana fandidiana « césarienne ».
Tsara ihany nefa ny manamarika fa fampahafantarana ny fitomboan’ireo mety ho risika ara-pahasalamana ateraky ny fitondrana vohoka tara ihany ireo voalaza ireo, ary tsy voatery hitranga avokoa izany. Ny ankamaroan’ny fitondrana vohoka aorian’ny faha 35 taona dia mifarana amin’ny fahaterahan-jaza salama tsara.
Ny fanaraha-maso ara-pitsaboana akaiky (« échographie », fitiliana, fanaraha-maso ny siramamy sy ny tosidrà) dia manampy betsaka amin’ny fisorohana sy fifehezana ireo mety ho fahasarotana.

Ireo hevi-diso mikasika ny fitondrana vohoka tara

Maro ireo hevi-diso sy tsaho re eny amin’ny fiarahamonina eny mikasika ny fitondrana vohoka tara. Anisan’izany ireto manaraka ireto :
-“Rehefa mihoatra ny faha 40 taona dia tara loatra”
Marina fa mihasarotra kokoa ny fitondrana vohoka rehefa mihoatra ny 40 taona ny vehivavy, saingy tsy midika izany fa tsy azo atao. Vehivavy maro no mahavita mitondra vohoka sy miteraka soa aman-tsara amin’io taona io. Ny fandrosoan’ny fitsaboana dia nanampy betsaka amin’izany.
Na izany aza, ilaina ny fahalalana mazava: mety haharitra kokoa ny ezaka hahazoana zazaary mety hiakatra kely ny risika. Ny fifampidinihana amin’ny mpitsabo alohan’ny hanombohana tetikasa hiteraka dia afaka manampy amin’ny fanombanana sy fanatsarana ny « chance » hahombiazana.
-“Mampidi-doza avokoa ny fitondrana vohoka tara”
Tsy ny taona irery ihany no mamaritra hoe misy atahorana na tsia ny fitondrana vohoka iray. Ny vehivavy 38 taona salama tsara, tsy manana aretina mitaiza, dia afaka miaina fitondrana vohoka mitovy amin’ny vehivavy tanora kokoa.
Raha ampifandraisina amin’ny anton-javatra hafa kosa izany taona izany, toy ny hatavezana tafahoatra, diabeta efa teo aloha, tosidrà avo na fifohana sigara, dia mety hampitombo ny risika.
-“Mora reraka kokoa ny vehivavy antitra”
Tsy miankina amin’ny taona fotsiny ny havizanana mandritra ny fitondrana vohoka. Miankina amin’ny « rythme » sy ny adin-tsaina eo amin’ny fiainana, ny isan’ny zaza efa misy, ny asa, ary ny kalitaon’ny torimaso ihany koa izany.
Indraindray aza, ny vehivavy lehibe taona kokoa dia manana fahamatorana ara-pihetseham-po sy ara-bola tsara kokoa, izay manampy azy hiatrika am-pitoniana kokoa ny maha-reny.

Lire la suite

Articles Similaires