Bevohoka ratsy torimaso : inona no mety ho antony sy ny vahaolana azoa atao ?
Maro ny fiovana miseho eo amin’ny vatana sy ny saina mandritra ny fitondrana vohoka. Anisan’ireo voakasik’izany ny torimaso. Maro ireo antony mety maharatsy torimaso ny bevohoka raha tsy hilaza afatsy ny fiovan’ny hormonina sy ny fitomboan’ny kibo. Zava-dehibe ho an’ny reny sy ny zaza ao an-kibo ka mila fantarina ireo antony mety maharatsy torimaso sy ny torohevitra manampy hiadiana ami’izany.
Ireo antony mety mahatonga ny bevohoka ho ratsy torimaso
Mety hiseho amin’ny dingana rehetra amin’ny fitondrana vohoka ny olana amin’ny torimaso. Maro ireo antony mety mahatonga izany :
-Amin’ny telo volana voalohany dia maro ireo toe-javatra maha tapa-tory ny bevohoka, toy ny fahatsapana maloiloy sy te handoa, ny fifohazana mandeha mipipy matetika, ny fatoriana matetika mandritra ny andro ka lasa manakorontana ny « rythme » ny torimaso ;
-Amin’ny telo volana faharoa dia misy fotoana mihatsara ny torimaso, saingy mety mbola hisy olana toy ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny vavony na fanaintainana amin’ny tongotra izay mety hahatapa-tory ;
-Amin’ny telo volana farany, lasa mora mifoha amin’ny torimaso noho ny kibo mavesatra, fanaintainan’ny lamosina, fihetsiketsehan’ny zaza ao an-kibo, tsy avy miaina, ary tahotra na ahiahy mikasika ny fiterahana.
Ny fomba fatoriana mety indrindra rehefa bevohoka
Anisan’ny fomba manampy hanatsarana ny torimaso mandritra ny fitondrana vohoka ny fanamboarana ny fomba fatoriana.
Matory miorirana amin’ny ankavia
Ny fatoriana miorirana miankavia no mety kokoa, indrindra mandritra ny telo volana faharoa sy fahatelon’ny vohoka. Manampy amin’ny fivezivezen’ny ra izy io ary manatsara ny famatsiana « oxygène » sy otrikaina ho an’ny zaza.
Matory miorirana amin’ny ilany havanana
Raha toa ka tsy mahazo aina mandry miorirana amin’ny ilany havia dia azo atao ihany koa ny miorirana havanana. Ny matory mitsilany no tokony sorohana amin’ny volana faran’ny vohoka satria mety hanery ny lalan-drà lehibe izany ka hamizaka na hahafanina ny bevohoka.
Raha tsy mahazo aina amin’ny ilany havia, azo atao tsara ihany koa ny ilany havanana. Fa tsara ny misoroka ny mandry mitsilany (amin’ny lamosina) amin’ny volana farany satria mety hanery lalan-drà lehibe izany ka hiteraka faharerahana na fanina.
Ireo fahazarana tsara manampy hanatsarana ny torimaso
Misy ihany koa ireo fahazarana tsara tokony hampiharina mba hanatsarana ny torimaso mandritra ny fitondrana vohoka :
Mamorona fahazarana mampitony alohan’ny hatory
Ny fanaovana zavatra mitovy isan’andro isaky ny alohan’ny hatory dia manampy ny vatana sy ny saina hiala sasatra sy ho mora mahita tory. Anisan’ireo fahazarana azo apetraka isaky ny hatory ny :
-Hazavana malefaka ao amin’ny efitrano fatoriana ;
-Fandroana amin’ny rano matimaty (tsy mafana loatra) ;
-Fisotroana dite mety amin’ny bevohoka ;
-Famakiana boky na fihainoana hira malefaka.
Ankoatra izay dia mila hahena ny fampiasana efijery (écran). Ny hazavan’ny finday sy ny fahitalavitra dia manelingelina ny torimaso. Tsara raha atsahatra adiny iray mialoha ny hatory ny fampiasana azy ireny.
Tsaboina ireo fambaran’ny fitondrana vohoka manelingelina ny torimaso
Anisan’ireo antony mahatonga ny bevohoka tapa-tory matetika amin’ny alina moa ny fisian’ireo fambaran’ny fitondrana vohoka manelingelina sy manorisory. Mila tsaboina sy ampitoniana izy ireny mba hanatsarana ny torimaso.
-Ny vavony mavaivay : mba hisorohana izany dia sakafo maivana no hoanina rehefa hariva. Tsy matory avy hatrany rehefa avy misakafo ary somary atao mivoitra kely ny loha rehefa matory (atao avoavo ny ondana).
-Fandehanana mipipy matetika amin’ny alina : rehefa amin’ny tontolo andro no misotro rano betsaka ka kely sisa no sotroina rehefa hariva.
-Fanaintainan’ny tongotra : horina moramora ny ranjo sy ny tongotra, ampanaovina « étirements » kely, ampiakarina atao avoavo ny tongotra rehefa matory (asiana ondana na lamba eo ambaniny).
Rahoviana no mila manatona mpitsabo?
Raha tena mafy ny olana amin’ny torimaso (tsy mahita tory mihitsy, miesona mafy, tsy avy miaina mihitsy, mitebiteby be), dia tsara ny manantona amin’ny mpitsabo na mpampivelona.




