Famantarana ny antony mampitomany ny zaza sy ny fomba hampitoniana azy
Ny fitomaniana no fomba hifandraisan’ny zazakely amin’ny ray aman-dreniny. Ho an’ireto farany kosa nefa dia mety hampiasa saina, hampitaintaina na koa hahakivy ny fiatrehana izany, indrindra raha tsy fantatra ny antony mampitomany ny zaza sy ny atao hampitoniana izany. Zaraina eto ary ny torohevitra manampy hahafantarana ny antony mampitomany ny zazakely sy ny fomba atao hampangina azy.
Ireo antony mampitomany ny zazakely
Ny fitomaniana dia fomba ara-boajanahary sy ara-dalàna hanehoan’ny zazakely ny filàny na ny tsy fahazoany aina. Ireto manaraka ireto no isan’ireo antony matetika mampitomany ny zaza :
-Ny hanoanana. Isan’ireo antony matetika mampitomany ny zaza, indrindra ny zaza menavava, ny hanoanana. Mitomany haingana, mafy ary miaraka amin’ny fihetsika mitsetsitra na fampidirana ny tanana ao am-bava izany.
-Ny harerahana be. Rehefa reraka be ny zazakely dia mitomany, miovaova mafy na moramora, sady mikosoka maso na mitoditodika izy.
-Mila fampiononana. Indraindray ny tomanin’ny zaza dia midika fotsiny hoe « te ho trotroina » izy. Ny zazakely tokoa mantsy dia mila fifanakaikaizana amin’ny ray aman-dreniny, indrindra ny reny, mba hampitony azy.
-Misy zavatra tsy mampahazo aina azy, toy ny hoe maloto ny tatiny, tery loatra ny akanjony, mafana na mangatsiaka loatra izy.
-Misy manaintaina na marary azy. Ny tomanin’ny zaza vokatry ny fanaintainana na aretina dia mafy be kokoa. Mety hakonankona izy rehefa mitomany ary sarotra hamanginina.
-Misy rivotra ao amin’ny kibo na misy olana amin’ny fandevonan-kanina. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny hariva ny zaza tratr’izany no tena mitomany sady mivokona ny tongony ary mafimafy ny kibony rehefa tsapaina.
Ahoana ny atao hamantarana ny antony mampitomany ny zaza ?
Mila dinihana sy araha-maso tsara ny zazakely mba hahafana mamantatra ireo karazana antony mety mampitomany azy :
-Raha noana izy dia miverimberina sy haingana ny fitomaniny. Matetika dia vao maraina na eo anelanelan’ny fotoana hinonoany na hisotroany solon-dronono izy no mitomany.
-Raha reraka no mampitomany azy dia mora mangina izy rehefa rotsirotsina moramora na rehefa alavirina ny zavatra mety manaitaitra na manakorontana azy.
-Raha avy amin’ny fanaintainana no mampitomany azy dia mitomany tampoka, mafy, miketrona, miendratrendratra izy. Mety hivaramena ihany koa ny tarehany.
-Raha zaza te hampitoniana indray dia mangina mor aizy rehefa raisina na rehefa rotsirotsiana.
Mila fahaizana mandinika sy traikefa ny fahafahana mamantatra ny antony mampitomany ny zazakely. Rehefa mandeha moa ny fotoana dia mihamahay mihaino sy mamantatra ireo « signaux » ataon’ny zanany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny.
Fomba hampitoniana ny tomanin’ny zazakely
Maro ireo fomba azo atao hampitoniana ny tomanin’ny zazakely :
Trotroana sy rotsirotsiana moramora ny zaza mba hanomezana azy fampiononana sy fiarovana. Ny « mouvements rythimques » dia mampatsiahy ny zaza ny rotsirotsy tao an-bohoka.
-Mampiasa « bruit blanc ». Ny feo tsy miovaova sy maharitra, toy ny « aspirateur », « ventilateur »… ; matetika dia mampitony ny tomanin’ny zaza satria mitovitovy amin’nyfeo reny tamin’izy mbola tao an-kibo.
-Horina moramora ny lamosina, ny kibo na ny tongotra mba hampitony azy. Mety hampisinda ny rivotra ao anaty kibo izay mampitomany azy ihany koa izany.
-Homena nono mba hampitony azy.
-Ahena ny zavatra mety manorisory azy, toy ny hazavana be loatra, tabataba mafy…
-Jerena sao misy manelingelina azy toy ny hoe mando na maloto ny tatiny, mafana na mangatsiaka izy, tery loatra ny akanjony…
Oviana no tokony hanahy ?
Na dia ara-dalàna aza ny ankamaroan’ny tomanin’ny zazakely dia misy ihany ireo fambara tokony hampanahy sy handrisika fanantonana mpitsabo :
-Fitomaniana maharitra sy tsy mety hampitoniana ;
-Manavy, mandoa na mivalana ;
-Sahirana mihaina na miloko tsy ara-dàlana ny hoditra ;
-Miova tampoka ny fihetsika na lasa malemilemy tsy mahazata.




