• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Livre Bleu
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : tena ilaina ve ny fanaovana « préparations à l’accouchement » ?

06/02/2026 15:55 © Moov.Mg

Fotoana manan-danja izay hitrangan’ny fiovana maro eo amin’ny vatana, toe-tsaina ary fihetseham-pon’ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Na dia toe-javatra voajanahary aza ny fiterahana, dia mbola miteraka fanontaniana maro sy tebiteby ihany izany, indrindra eo amin’ny bevohoka. Ny fiomanana amin’ny fiterahana na « préparations à l’accouchement » dia manampy ny ray aman-dreny miandry zaza hiatrika izany am-pilaminana sy am-pahatokisana kokoa.

Nahoana no mila manao « préparations à l’accouchement » ?

Ny tanjon’ny fiomanana amin’ny fiterahana na « préparations à l’accouchement » dia ny hanampy ny reny bevohoka sy ny vatany hahafantatra tsara izay hitranga alohan’ny fiterahana, mandritra ary aorian’izany. Rehefa mahazo ny fampahafantarana sy fanohanana mikasika izany izy ireo dia mihena ny tahotra ary mitombo kokoa ny fahatokisan-tena.
Eo amin’ny lafiny ara-batana dia manampy ny bevohoka hahay hifehy ny fanaintainana amin’ny alalan’ny « respiration » tsara, « relaxation » ary fihetsika tokony ataon’ny vatana ny fiomanana amin’ny fiterahana. Ny fahalalan’ny bevohoka bebe kokoa ny vatany sy ny fizotry ny fiterahana dia manamora ny fifehezana ny fanaintainana mandritra ny « contractions » sy ny fandrosoan’ny fiterahana.
Eo amin’ny lafiny ara-tsaina kosa dia manampy amin’ny fampihenana ny tebiteby sy ny tahotra ny fanaovana « préparations à l’accouchement ». Manampy ny bevohoka hahafantatra ny dingana samihafa amin’ny fiterahana ihany koa izy io ka mampitony ny sainy sy manala ireo tahotra avy amin’ireo resaka na tranga mampanahy re matetika eny amin’ny fiarahamonina eny.

Ahoana ny fizotry ny fiomanana amin’ny fiterahana ?

Amin’ny ankapobeny dia manomboka amin’ny volana faharoa na fahatelo amin’ny fitondrana vohoka no atao ny fiomanana amin’ny fiterahana. Ny rasazy na mpampivelona no mitarika izany matetika, na dia mety hisy ihany koa azy ny mpitsabo voaofana afaka mampanao azy io.
Raha ny eto amintsika dia atao amin’ny endrika vondrona (en groupe), matetika, no hanatanterahana ny « préparations à l’accouchement ». Mandritra izany dia maro ireo lohahevitra resahana, toy ny :
-ny fivoaran’ny fitondrana vohoka sy ny famantarana ny fiandohan’ny fiterahana ;
-ny dingana samihafa amin’ny fiterahana ;
-ny fomba hifehezana ny fanaintainana (respiration, relaxation, fihetsika ara-batana) ;
-ny safidy ara-pitsaboana mety hisy mandritra ny fiterahana ;
-ny fotoana aorian’ny fiterahana sy ny fiverenan’ny reny an-trano ;
-ary indraindray ny fikarakarana ny zaza vao teraka sy ny fampinonoana.

Fiomanana mifanaraka amin’ny tsirairay

Tsy mitovy ny vehivavy rehetra, ary tsy mitovy ihany koa ny fitondrana vohoka tsirairay. Noho izany dia zava-dehibe ny misafidy fiomanana mifanaraka amin’ny filàna, ny finoana ary ny fanirian’ny tsirairay.
Marihana fa ny fiomanana amin’ny fiterahana dia tsy manome antoka hoe tsy maintsy hizotra tanteraka araka ny nomanina ny fiterahana. Manome fitaovana sy fahalalana manampy hiatrehana ny toe-javatra rehetra mety hitranga fotsiny ihany izy io. Ankoatra izay moa dia manampy ny ray aman-dreny hiaina ny fahaterahan’ny zazanany am-pahatokisana, am-pahatsiarovan-tena ary am-pilaminana kokoa io fiomanana io.

Lire la suite

Articles Similaires