Oniversiten’Antananarivo : Fanambin’ny Filoha vaovao ny fampiakarana ny lentan’ny fampianarana
Lanonana telo lehibe no notanterahina androany maraina, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Filoha, ny fitokanana ny efitrano fianarana ao amin’ny Fakiolten’ny siansa ary ny fanombohana ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversite.
Filoha vaovao, fanatsarana hatrany
Ny volana marsa 2025 no voafidy ho Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo i Profesora Randrianasolo Rivoarison ity. Notanterahina tamin’ity androany 22 janoary ity kosa ny fametrahana azy, tamin’ny fomba ofisialy. Tamin’izany no nanambaran’i Profesora ny fanamby sy ny asa miandry azy, mandritra ny fe-potoam-piasany. Rehefa miova toy izao ny Filohan’ny Oniversite dia misy zava-baovao hatrany andrasana aminy. Isan’ny asa nolazainy ny fanatsarana sy ny fampiakarana ny lentan’ny fampianarana sy ny fampiroboroboana ny fikarohana. Ireo rahateo no maha sehatry ny fampianarana ambony azy.
Etsy andaniny anefa dia isan’ny asa ho tanterahiny ihany koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Isan’ny noresahiny tamin’izany avokoa ny fotodrafitrasa hampianarana sy hianarana, ny fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana ary ny jiro sy ny rano. « Amin’ity taona 2026 ity dia tokony tsy misy olana intsony ny rano ato anatin’ny faritry ny Oniversite », hoy ny Profesora, izay Filohan’ny Oniversite vaovao.
Fisokafana amin’ny rehetra
Isan’ny nomarihin’ity Filoha vaovao ity, ihany koa ny fisokafany amin’ny olona rehetra. « Iray ihany izahay ato anatin’ny Oniversite. Amin’ny mpianatra aho dia Ray aman-Dreny ary amin’ny mpampianatra dia rahalahy », hoy hatrany ny tenany. Nanazava izy tao anatin’izany fa hiaraha-mamaha ireo olana sy fitakiana samihafa, ary tsy hijanona ny fifampiresahana, amin’ny tompon’andraikitra.
Etsy ankilany moa dia nilaza ny tenany fa ho jerena ihany koa ny mikasika ny tsy fandriam-pahalemana, izay isan’ny olan’ireo mpianatra matetika.
Marihina fa notanterahina tamin’ity androany ity ihany koa ny fitokanana ny « Amphithéâtre de la Faculté des Sciences », izay nohavaozina, sy ny fanombohana ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversite.


