• Cours de change
  • 5212.01 AR
  • |
  • $4509.63 AR
Copyright Image : © Patrick Mamonjisoa
Image
Vaovao

Sidina anatiny : Niverina ny fitaterana an'habakabaka mampitohy an’i Antalaha amin’Atsinanana sy Avaratra

22/01/2026 13:31 © Moov

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, androany, ny seranam-piaramanidina ao Antalaha, ary niverina nisokatra niaraka tamin’izay ihany koa ny sidina mampitohy ity Distrika ity sy ny tapany Atsinanana sy Avaratry ny Nosy.

Ny taona 2016 tany ho any no nisy sidina farany, niainga tao Antalaha, raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny orinasa Aéroport de Madagascar (ADEMA). Hiverina indray ny fitaterana miainga ao an-toerana, izay hampitohy azy amin’i Toamasina, Sainte Marie, Maroantsetra ary Sambava, Antsiranana, Nosy Be, manomboka izao. Taorian’ny fanavaozana sy ny fanatsarana samihafa ary ny fanitarana no nahatanterahan’izany. Fiaramanidina miisa 2 no hiasa ao an-toerana, amin’izao fanombohana izao, hoy kosa ny Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro.
Isan’ny asa natao, nahafahana manokatra azy indray, ny fanatsarana ny tafotrano, fanoloana ny varavaran-kazo ho lasa « aluminium », ary ny fampanaraham-penitra ny efitra fandraisana ireo mpandeha. Eo ihany koa ny fametrahana « climatisation », amin’ireo efitra fiondranana ary ny fanatsarana ireo fanaka sy fitaovana samihafa ary napetraka ihany koa ny efitra manokana ho an’ny manam-pahefana. Isan’ny tafiditra tao anatin’ny asa ihany koa ny « tour de control » izay nasiana fanatsarana.

Hitarina ny toerana hipetrahan’ireo fiaramanidina

Iray volana sy tapany izay no nilaza ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny amin’ny fanatsarana ireo seranam-piaramanidina manerana ny Nosy ary tafiditra tao anatin’izany ity ao Antalaha ity. Tetibola 1 miliara ariary no natokan’ny ADEMA, tamin’ny fanarenana ity toerana ity. Nanazava ny Tale Jeneraly fa fanombohana ihany ireo asa fanatsarana sy fanitarana ireo fa hitohy amin’ny fanalavana ny « piste d’atterrissage » ny asa. Tanjon’izany ny mba hahafahan’ity toerana ity mandray fiaramanidina lehibe.
« Efa nanokana 4 miliara ariary ny orinasa hahafahana manatanteraka izany », hoy hatrany ny Talen’ny ADEMA. Ao anatin’ny telo volana, raha ny fanazavana dia mety ho fantatra ny ho firafitry ny « piste » vaovao ary hanomboka ny fanatevenana ny « piste » amin’izao, ary hitohy amin’ny fanalavana azy, aorian’izany.

Lire la suite

Articles Similaires