Ady amin’ny Mpox eto Madagasikara : Ho tonga amin’ny tapaky ny volana febroary ny vaksiny
Paikady nahomby tany amin’ireo firenena afrikanina efa nahitana ny valanaretina mpox ny fampiasana ny vaksiny, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hampiasa izany koa isika eto Madagasikara ary ho avy tsy ho ela ireo vaksiny nafarana.
Vaksiny, paikady hifehezana ny valanaretina mpox
Efa nandefa ny fangatahana hahafahan’i Madagasikara mahazo ny vaksiny iadiana amin’ny mpox ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ny Dr Raseheno Harinirina, talen’ny andrimaso ara-pahasalamana, fanaraha-maso ary fiatrehana ny valanaretina ((DVSSER), eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Maharitra 4 herinandro eo ho eo ny dingana lalovana amin’ny fanafarana izany vaksiny izany, ka heverina fa ho tonga eto amintsika any amin’ny tapaky ny volana febroary any ho any izany.
Toromariky ny Sampandraharahan’ny firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) moa ny hampiasana ny vaksiny, any amin’ireo firenena ahitana ny valanaretina mpox, antony nanafaran’ny firenena Malagasy izany. Raha ny traikefa azo tamin’ny vanim-potoanan’ny covid-19 rahateo, dia hita fa nampihemotra sy nahafahana namehy ny valanaretina ny fanaovam-baksiny, hoy ny Pr Mamy Randria, mpitondra tenin’ny minisitry ny Fahasalamana. Ireo firenena efa nahitana ny valanaretina mpox tany aloha, dia efa nampiasa io vaksiny io ary paikady nahomby izany, araka ny nambarany hatrany.
Valanaretina miantraika amin’ny toekarena
Nanamarika ny Pr Mamy Randria fa misy ny olona no manamaivana ity valanaretina miparitraka eto amintsika ity. Marina, hoy izy, fa tsy ambony ny taham-pahafatesana vokatr’ity aretina ity, saingy mavesatra kosa ny voka-dratsiny. Isan’ny nasongadiny ny fiantraikany amin’ny toekarena : rehefa marary ny olona iray dia mety hihiboka amam-bolana ary tsy ho afaka miasa. Iharan’izany tsy fahafahana miasa izany ny toeram-piasana. Etsy an-daniny, mety ho olona maromaro ao anatin’ny fianakaviana no tsy afaka mitady vola sy mamokatra ary mianatra. Mampitombo ny tahan’ny fahantrana eo anivon’ny tokantrano izany, ary mety hiitatra amin’ny fiarahamonina, ka tena misy fiantraikany amin’ny toekaren’ny firenena. Nanentana ny rehetra ho amin’ny fahamailoana, araka izany ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ka tsy hanao tsinontsinona ity valanaretina ity.


