Fisoratana anarana biômetrika : Olom-pirenena miisa 2 tapitrisa no hosoratana, hatramin’ny volana jona
Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy (ODD) ny fananan’ny olom-pirenena tsirairay fiiziana hatramin’ny taona 2030. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Fitondram-panjakana malagasy hanatrarana izany ny firosoana amin’ny fisoratana anarana biômetrika, ao anatin’ny tetikasa Izaho Tokana.
Hatomboka any amin’ny Distrikan’Atsimondrano
Ny 27 janoary 2026 no hanomboka amin’ny fomba ôfisialy ny fisoratana anarana biômetrika eto Madagasikara, ka ireo olom-pirenena 18 taona no ho mihoatra no ho voakasik’izany. Ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano no hanatanterahana andrana voalohany, mba ho fitaratra ho an’ireo Distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny volana aprily kosa no tena hanomboka ny fanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika manerana ny Nosy ary hifarana amin’ny volana jona izany. Dingana fanombohana ihany io fe-potoana io, fa hitohy ho lasa asa andavanandro ho an’ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny fanoratana anarana biômetrika, araka ny fanazavan’ny minisitra Rakotonandrasana Velonjara Tiaray.
Mponina miisa 12 hatramin’ny 13 tapitrisa no heverina hosoratana anarana ao anatin’izao tetikasa izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana hatrany, saingy hatramin’ny volana jona fanombohana, dia olom-pirenena miisa 2 tapitrisa no henjehina hosoratana anarana. Mamatsy vola ity tetikasa ity, raha tsiahivina, ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa PRODIGY (Projet de Gouvernance Numérique et de Gestion de l'Identité).
laharam-pamantarana tokana ho an’ny tsirairay
Dingana iray mankany amin’ny famadihana ny karapanondrom-pirenena ho biômetrika ny fanoratana anarana biômetrika, hoy ny fanazavan’ny minisitra Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Izany no antony maha-voakasika ireo olom-pirenena 18 taona no ho miakatra.
Nanomboka omaly 21 janoary 2026 ny atrikasa fampivondronana ireo solon-tenam-panjakana manerana ny Nosy, ho fanomanana ity hetsika Izaho tokana ity. Zava-dehibe ho an’ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ny minisitra, ny fanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika, satria hahazo laharana azy manokana ny olom-pirenena malagasy mihoatra ny 18 taona. Io laharam-pamantarana tokana (numéro d’itentification unique) io dia hanamora ny fanamarinana ny fiizin’ny (identité) olom-pirenena tsirairay avy ary hanamora ihany koa ny fisitrahan’ny tsirairay ireo tolotra miankina amin’ny raharaham-panjakana, eny fa na eny anivon’ny sehatra tsy miankina sasantsasany ihany koa aza.


