• Cours de change
  • 5238.25 AR
  • |
  • $4538.87 AR
Copyright Image : © Mgc Prévention
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro mafana : ireo torohevitra hijintsovana ny fahasalamana

16/01/2026 15:29 © Moov.Mg

Mihamatetika ny fotoana ahitana hafanana be eto Madagasikara, indrindra rehefa fahavaratra toy izao. Mety hiteraka olana ara-pahasalamana ireo mari-pana avo, indrindra ho an’ny ankizy madinika, ny beantitra sy ireo olona marefo. Mba hitsinjovana ny fahasalamana mandritra ny vaninandro mafana ary dia ireto misy torohevitra vitsy tsara ampiharina.

Misotro rano matetika

Rehefa mafana be ny andro dia very rano be ny vatana noho ny hatsembohana. Ilaina arak’izany ny misotro rano matetika mba hanonerana ireo rano very ireo, eny na dia tsy mahatsiaro mangetaheta aza. Fadiana arak’izay azo atao ny misotro zava-pisotro misy alikaola, mamy be na misy kafeina satria mampitombo ny tsy fahampian-drano izany. Tsara ihany koa ny misotro « jus naturels », ranona voanio, « jus de concombre » na lasopy legioma mba hanampy ny vatana hitazona ny rano ilainy.

Manamboatra ny fahazarana ara-tsakafo

Sarotra kokoa amin’ny vatana ny mandray sakafo mavesatra rehefa mafana ny andro. Mba hitsinjovana ny fahasalamana dia ilaina ny manamboatra ny fahazarana ara-tsakafo mandritra ny vaninandro mafana. Sakafo maivana, toy ny legioma, voankazo, salady, trondro ary sakafo tsy dia misy menaka no tsara hoanina. Ny voankazo toy ny mananasy, papay, pastèque no tena tsara noho izy ireo be rano. Ferana na fadiana ny sakafo masiaka be na be menaka noho izy ireo mampitombo ny hafanana ao anaty vatana.

Miaro tena amin’ny masoandro

Ny masoandro midanika be dia mety hitarika « coups de soleil » sy havizanana lalina. Mba hitandrovana hatrany ny fahasalamana rehefa mafana be ny andro dia fadiana ny mivoaka eo anelanelan’ny amin’ny 11 ora sy 3 ora atoandro, rehefa tena mahery be ny masoandro. Akanjo maivana, malaladalaka sy miloko matsatso no hanaovana. Tsy adinoina ny manao satroka. Raha manao fanatanjahantena dia rehefa vao maraina na rehefa mody ny masoandro no manao izany.

Ireo fambara tokony hahamailo

Mety mitarika tsy fahazoana aina lehibe ny hafanana be loatra. Ireto manaraka ireto ary ny fambara tokony hahamailo :
-Marary andoha, fanina, harerahana lalina ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Mafana be ny hoditra, na koa makina be.
Raha mitranga ireo fambara ireo dia mila mankeny amin’ny malokaloka ary misotro rano. Raha tsy mety misinda na tsy mihatsara dia manantona tobim-pahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires