• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Notre Temps
Image
Fahasalamana&Sakafo

Marary lamosina, marary kibo: sao dia avy amin’ny fihetseham-po ?

03/03/2026 12:16 © Moov.Mg

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho mangotika ny kibo mialoha ny hanao fanadinana na fivoriana lehibe? Na nahatsapa toy ny misy zavatra mivesatra be eo amin’ny soroka rehefa avy niasa mafy mandritra ny herinandro? Tsy kisendrasendra ireny fahatsapana ireny: ny vatantsika no fitaratra voalohany mampiseho ny zava-mitranga any anaty fanahy any.

Ny vatana dia fitaratry ny saina

Nosarahina foana nandritra ny fotoana ela ny fitsaboana ny vatana sy ny saina. Ankehitriny nefa dia hita fa misy ifandraisany akaiky izy roa ireo : ny rarintsaina, ny tebiteby, na ny fahatezerana tsy mivoaka, dia tsy mijanona ao an-doha fotsiny. Mivezivezy manerana ny vatana izy ireny amin’ny alalan’ny hozatra sy ny akora simika, ka mandondona ao amin’ireo taova marefo indrindra.

Ny lamosina: mitondra ny vesatry ny fiainana

Ny lamosina no andrin’ny vatantsika. Rehefa marary izy, dia matetika famantarana fa mavesatra loatra ny "entana" entintsika (na ara-tsaina izany na ara-pihetseham-po).
Ny antony: Rehefa mikorontana ny saina, dia mikainkona ho azy ny hozatry ny lamosina sy ny soroka. Raha maharitra izany, dia tsy mikoriana tsara ny rà ary dia miteraka fanaintainana mafy.
Ny hafatra miafina : Ny aretin-damosina dia mety hidika ho tsy fahampian'ny fitoniana (indrindra eo amin'ny lafiny ara-bola ho an'ny lamosina ambany) na fahatsapana ho reraky ny andraikitra mavesatra loatra.

Ny kibo: izy io no antsoina hoe "atidoha faharoa"

Fantatrao ve fa ny tsinaintsika dia misy selan-tsaina (neurones) manodidina ny 200 tapitrisa? Mifandray tsy tapaka amin'ny atidohantsika izy ireo.
Ny antony: Rehefa misy fihetseham-po mafy isika dia mandefa hafatra manakorontana ny fandevonan-kanina ny atidoha. Izany dia mety miteraka fivontosan'ny kibo, fikorontanan'ny fivoahana, na « acidité » ao anaty vavony.
Ny hafatra miafina: Ny fahasahiranana amin'ny "fandevonan-kanina" dia mety avy amin’ny toe-javatra iray nitranga, ny tahotra lalina, na ny fihetseham-po tsy navoaka sy notehirizina ao anaty.

Inona no vahaolana mba hihainoana ny vatana?

Tsy tokony hampatahotra ny fahafantarana fa misy ifandraisany amin’ny saina ny aretina fa raisina ho dingana iray mankany amin’ny fahasitranana. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra hampitoniana ny ahiahy :
-Ezahana fantarina hatrany ny toe-po
Makà 30 segondra imbetsaka ao anatin’ny tontolo andro mba hialana sasatra. Anontanio ny tenananao hoe « manao ahoana ny foko sy ny saiko izao ? ». Ny fanomezana anarana ny fihetseham-po (hatezerana, alahelo, ralehibe) dia efa manampy ny vatana ho tony.
-Miaina avy amin'ny kibo
Ny "diaphragme" no hozatra mampitohy ny tapany ambony sy ambany amin'ny vatana. Rehefa miaina amin'ny alalan'ny kibo ianao, dia toy ny manotra ny taovanao ary mandefa hafatra ho an'ny vatana ny saina hoe "milamina ny zava-drehetra".
-Mampihetsiketsika ny vatana
Tsy natao hampihenana vatana fotsiny ihany ny fanatanjahantena fa fomba iray hanesorana ireo poizina ateraky ny rarintsaina. Mandeha-tongotra, mandihy, manao Yoga… maro ny fomba fanetsiketsehana ny vatana manampy hamoahana ireo fihetseham-po mety hitarika olana eo amin’ny vatana.

Fanamarihana

Raha tsy mety misinda ireo fanaintainana voalaza ireo na dia efa niezaka niala voly sy naka aina tsara dia ilaina ny manantona mpitsabo mba hijerena raha misy antony ara-pahasalamana hafa. Ny tsara indrindra dia ny mitsabo ny vatana nefa mihaino ny saina ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires