• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Smile Partner
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava : ny fifandraisany amin’ny areti-mitaiza

04/03/2026 14:42 © Moov.Mg

Tsy voafetra amin’ny tsy fisian’ny lavaka amin’ny nify sy ny hatsaran’ny fitsiky fotsiny ihany ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava. Araka ny voalazan’ny Organisation mondiale de la Santé dia anisan’ny aretina fahita indrindra maneran-tany ny aretina mahazo ny ati-vava sy ny nify, ka olona manodidina ny 3,5 miliara no voakasik’izany. Ankoatra izay dia efa voaporofo fa misy fifandraisana akaiky amin’ny aretina mitaiza maro izy ireny, toy ny aretim-po sy lalan-drà, ny diabeta, ary ny aretin’ny taovam-pisefoana sasany.

Inona avy ireo aretina mahazo ny ati-vava sy ny nify?

Maro ireo karazana aretina mety mahazo ny ati-vava sy ny nify, ka anisan’ireo fahita indrindra ny :
-Lavaka amin’ny nify (caries),
-Aretin’ny hihy sy ny taolana manohana ny nify (maladies parodontales),
-Fiongotan’ny nify,
-« Infection buccale chronique ».
Ny « maladies parodontales » no tena manana anjara toerana lehibe amin’ny fifandraisan’ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny fahasalamana ankapobeny. Vokatry ny fivangongoan’ny mikraoba (plaque bactérienne) izy io, ka miteraka « inflammation » sy « inflammation » maharitra amin’ny hihy.

Ny « inflammation » maharitra

Ny fanazavana siantifika lehibe manamarina ny fifandraisana eo amin’ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify amin’ny areti-mitaiza sasany dia ny fisian’ny « inflammation » maharitra.
Rehefa maharitra ny aretin’ny hihy, dia afaka miditra ao amin’ny lalan-drà ny mikraoba sy ireo akora mampisy fivontosana (inflammation). Na dia tsy malefaka azy ity farany nefa maharitra mampitombo ny mety hisian’ny aretina mitaiza maro.

Aretin’ny fo sy lalandrà

Fikarohana maro no mampiseho fa misy fifandraisana eo amin’ny « maladies parodontales » sy ny aretin’ny fo sy ny lalandrà, toy ny fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny fo (infarctus) na ny fahatapahan’ny lalandrà any amin’ny atidoha (AVC).
Anisan’ny anton’izany ny :
-Fidiran’ny mikraoba avy amin’ny ati-vava ao amin’ny lalandrà,
-Fandraisana anjara amin’ny famoronana « plaques » manentsina lalandrà (plaque d’athérome),
-Fampitomboana ny « inflammation » ao amin’ny lalandrà.

Diabeta

Misy fifandraisana mifamaly eo amin’ny diabeta sy ny « maladies parodontales »:
-Ny diabeta tsy voafehy tsara dia mampitombo ny mety hisian’ny aretin’ny hihy,
-Ny aretin’ny hihy kosa dia manasarotra ny fanaraha-maso ny tahan’ny siramamy ao anaty rà.
Hita tamin’ny fikarohana fa rehefa tsaboina tsara ny « maladies parodontales » dia mety hihena kely ny tahan’ny siramamy maharitra (HbA1c) amin’ny olona voan’ny diabeta.

Aretin’ny taovam-pisefoana

Afaka miditra any amin’ny havokavoka ny mikraoba ao anaty vava, indrindra amin’ny olona be taona na marary eny amin’ny hopitaly. Izany dia mety hiteraka aretina toy ny « pneumonie », indrindra amin’ny olona marefo.

Antony iombonana mampitombo loza

Maro amin’ireo aretina ireo no mizara antony iombonana, toy ny:
-Fifohana sigara,
-Fihinanana sakafo be siramamy,
-Fisotroana toaka tafahoatra,
-Fomba fiaina tsy ara-pahasalamana,
-Tsy fahampian’ny fitsaboana.

Fisorohana manampy

Mba hiarovana ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify dia ilaina:
-Manasa nify indroa isan’andro amin’ny dentifrice misy « fluor »,
-Mampiasa kofehy fanadiovana nify na fitaovana fanadiovana eo anelanelan’ny nify,
-Mitsidika mpitsabo nify indray mandeha isan-taona na toa salama aza ny nify,
-Miala sigara,
-Mihinana sakafo voalanjalanja.

Lire la suite

Articles Similaires