• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio Canada
Image
Fahasalamana&Sakafo

"Syndrôme du cœur brisé" : Tranga mitovitovy amin'ny "Crise cardiaque"

02/03/2026 10:17 © Moov

Raha vao maheno hoe "cœur brisé" dia ilay olona voadonam-pitiavana na voadonam-piainana mafy no mby any an-tsaina. Avy amin'izany tokoa no nahazoana ilay "Syndrôme du cœur brisé", izay manakaiky ny "Crise cardiaque".

Marary tampoka ny tratra, sempotra, reraka mafy : samy fambaran'ny "Syndrôme du cœur brisé" sy ny "Crise cardiaque" ireo. Samy mila fandraisana an-tanana haingana sy mety hamoizana ny ain-dehibe ireo trangan'aretina roa ireo. Midika izany fa rehefa misy trangan'aretim-po tampoka, sarotra tsaboina na mahafaty, dia tsy "Crise cardiaque" foana no resahina.

Ny mahasamihafa ny "Syndrôme du cœur brisé" sy ny "Crise cardiaque"

Ny "Syndrôme du cœur brisé" (Takotsubo) dia avy amin'ny fihetseham-po mafy loatra, noho ny adin-tsaina na ny fahadisoam-panantenana na tahotra na voina tampoka. Tsy misy lalan-drà voasakana amin'izany. Be loatra araka izany ny "hormone du stress" vokarin'ny atidoha ka tsy zakan'ny fo. Ny "Crise cardiaque" (infarctus) kosa dia misy "caillot" miforona ka manentsina ny lalan-drà. Mazava hoazy, ilay faharoa no misy vokadratsy mampatahotra kokoa. Rehefa tsy tonga any amin'ny fo nefa "Oxygène" dia mitarika fahafatesana izany. Matetika dia Ny tahan'ny "cholestérol" be loatra no mahatonga ny "Crise cardiaque" : aretina mivoatra fa tsy tampoka.

Fandraisana an-tanana ny olona tratran'ny "Syndrôme du cœur brisé"

Ny vehivavy 50-60 taona, ao anatin'ny "Ménopause", no tena maro an'isa amin'ireo olona voan'ny "Syndrôme du cœur brisé". Matetika mantsy dia mahatonga adin-tsaina sy alahelo lalina ny fiovan'ny toe-batana. Tsy adino ireo trangam-piainana samihafa na teny marary ataon'ny hafa izay mety handreraka ny saina sy ny fo.
Ny mpitsabo irery ihany no afaka mamantatra na "Syndrôme du cœur brisé" no mahazo ny marary iray na aretina hafa. Amin'ny ankapobeny, ny fampirindrana ny fitempon'ny fo (tsy tokony hiadana na haingana loatra) no ataon'ny mpitsabo. Eo ihany koa ny fampodiana haingana ny herin'ny marary. Koa satria avy amin'ny adin-tsaina na alahelo tsy zaka ny "Syndrôme du cœur brisé", mila fanohanana ara-tsaina ny marary, na avy amin'ny mpitsabo matihanina na avy amin'ny fianakaviany.

Fisorohana ny "Syndrôme du cœur brisé"

Mahafaty ny "Syndrôme du cœur brisé", indrindra raha tsy voatsabo. Mety tsy ho avotra intsony ny olona iray raha misy manindrona ny tratra sady miha-reraka na mivonto ny vatana nefa tsy manantona mpitsabo. Tsy misy famaritana ny maridrefy zakan'ny fo amin'ny fizakana ireo fihetseham-po miabo samihafa rahateo.
Ireto misy torohevitra vitsivitsy hisorohana ny "Syndrôme du cœur brisé", na ho an'ny tena na ho an'ny hafa :
-Mitazona toe-tsaina miabo, satria tsy ilaozan'izay olana mety hitranga ny fiainana,
-Mifady teny mandratra atao amin'ny hafa, aleo misafidy fahanginana,
-Mifantoka amin'ireo tanjona irina, mba hampifaliana ny tena,
-Mihaino tsara ny vatana, mba hahay handanjalanja ny asa atao sy ny fifandraisana amin'ny hafa,
-Sahy manapaka ireo fifandraisana tsy mahasoa rehetra.
Amporisihina ny rehetra hanantona mpitsabo avy hatrany raha vao misy mampiahiahy ny fahasalamana. Tsy atao tsianjery ny fihinanana fanafody mampatanjaka isaky ny tsapa fa reraka ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires