• Cours de change
  • 5238.25 AR
  • |
  • $4538.87 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Fahasalamana&Sakafo

Matory mihorirana havia sa havanana : inona no tsara kokoa ho an’ny fahasalamana ?

15/01/2026 14:36 © Moov.Mg

Manan-danja lehibe amin’ny fahasalamana ny torimaso, ary mety misy fiantraikany amin’ny fandevonan-kanina, ny fikorian’ny rà, sy ny fahazoana aina amin’ny ankapobeny ny fomba fatoriana. Isan’ny tena mahazatra ny maro ny fatoriana mihorirana. Inona kosa ary ny mety kokoa ho an’ny fahasalamana: matory mihorirana havia sa mihorirana havanana ? Araho ary ny andinindininy mikasik’izany ?

Inona no mahatsara ny matory mihorirana ?

Ny fatoriana mitsilany, izany hoe ny lamosina no ambany, dia mety mampiherotra sy mitarika fanaintainana ao amin’ny lamosina. Ny fatoriana mihohoka, na hoe ny kibo no ambany, dia mety hanery loatra ny vozona sy ny hazondamosina. Ny fatoriana mihorirana kosa dia sady mampahazo aina no manatsara ny fiasan’ireo taova samihafa.

Matory mihorirana havia, ireo lafy tsara sy mety ho lafy ratsiny

Ny fatoriana mihorirana havia matetika no heverina ho tsara kokoa ho an’ny fahasalamana. Maro ireo lafy tsaran’ity fomba fatoriana ity :
-Manatsara ny fandevonan-kanina. Mahazo toerana tsara kokoa ny vavony sy ny sakaraty rehefa matory mihorirana havia. Izany ny manamora ny fandevonan-kanina sy mampihena ny fizirizirin’ny kibo ;
-Mampihena ny « reflux gastro-œsophagien ». Manampy amin’ny fisorohana ny « reflux » io fomba fatoriana io ho an’ireo olona mavaivay matetika ny vavony ;
-Manatsara ny fikorian’ny rà. Mampihena ny tsindry eo amin’ny « veine cave inférieure » izany, izay tena ilaina indrindra mandritra ny fitondrana vohoka ;
-Manohana ny fiasan’ny « système lymphatique » ka manampy amin’ny fanalana ny « toxine » ao amin’ny vatana ;
-Misy vokatsoa eo amin’ny fo. Miasa tsara kokoa ny fo ary voateritery.
Ireo mety ho lafy ratsin’ny fatoriana mihorirana havia :
-Somary voatsindry kely ny fo (matetika tsy misy atahorana) ;
-Voatsindry ny soroka na ny sandry havia ;
-Mety hampitombo ny kentrona (rides) eo amin’ny ilany havian’ny tarehy.

Fatoriana mihorirana havanana : ireo lafy tsara sy lafy ratsiny

Mety mampahazo aina kokoa eo amin’ny olona sasany ny fatoriana mihorirana havanana. Mety misy fiantraikany ratsy ihany nefa ny fizarana amin’ity fomba fatoriana ity.
Ireo lafy tsaran’ny fatoriana mihorirana havanana :
Tsy dia voatsindry ny fo eo amin’ny olona sasany ;
Mety mampahazo aina kokoa, arakaraky ny firafitry ny vatana na ny fanaintainana, ohatra ny eo anivon’ny soroka, ny avokavoka havia…
Ireo mety ho lafy ratsiny :
-Mety vao maika hampihombo ny « reflux gastriques » sy ny « brûlures d’estomac » ;
-Tsy dia tsara amin’ny fandevonan-kanina ;
-Somary manindry ny aty.

Lire la suite

Articles Similaires