• Cours de change
  • 5282.45 AR
  • |
  • $4558.6 AR
Copyright Image : © Arphine Rahelisoa
Image
Vaovao

Raharinirina Clémence : Laharam-pahamehana ny famolavolana ny drafi-papandrosoana an’Analamanga

26/12/2025 15:06 © Moov.Mg

Nandray, amin’ny fomba ôfisialy, ny toerana maha-lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana azy, Raharinirina Clémence. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazany, tamin’ny ambangovangony, ireo vinany ho an’ny Faritra Analamanga, izay mifototra amin’ny baikom-pitolomana tsotra, dia ny asa izany.

Tontosa ny famindram-pitantanana

Tontosa androany 26 desambra 2025 maraina, teny Ambohidahy, ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana vao voatendry, Raharinirina Clémence, sy ny lehiben’ny Faritra teo aloha, izay tsy nanatrika ny fotoana, fa nosoloin’ny lefiny tena. Taorian’ny fanaovan-tsonia ireo antontan-taratasy, araka ny fomba fanao mahazatra, dia nanoritsoritra ny mety ho endriky ny fitantanany ny Faritra Analamanga ramatoa lehiben’ny Faritra vaovao.

Isan’ny notsipihiny voalohany, fa hisy ny fitsirihana (audit), izay tsy maintsy hatao laharam-pahamehana, araka ny antontan-taratasy nosoniavina nandritra ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny goverinora lefitra, izay nisolo tena ny goverinora teo aloha, Rasoamaromaka Hery. Tsy maintsy hatao izany « satria madio izahay no miditra eto ary tsy maintsy hadio no mivoaka eto », hoy Raharinirina Clémence.

Fampandrosoana ny Faritra Analamanga

Laharam-pahamehana iray nambarany ihany koa ny famolavolana ny drafi-papandrosoana ny Faritra, na ny PRD, izay tsy tafapetraka nandritra ny fitantanana teo aloha. Izany no hatao dia mba hialana amin’ny fitondrana an-jambany, araka ny fanamarihana nataon’ny lehiben’ny Faritra vaovao. Isan’ny ho voarakitra ao anatin’izany PRD izany ny paikady ho fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fanomezana vahana ny famokarana any amin’ireo Distrika mpamokatra, ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana sy ny tohodrano ary ny fampiroboroboana ny famoronana asa.

Nilokaloka moa Raharinirina Clémence, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany, fa hanaraka sy hanaja ny lalàna sy ny voalazan’ny rijanteny mifehy ny vondrom-bahoakam-paritra. Nilaza ihany koa izy fa hanalavitra ny fitantanana anjakan’ny fanaparam-pahefana, ny fanaraoraotana isan-karazany, ary ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana. Ny « fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fanavaozana ny fomba fiasa no takiana, mba tena hahatsapa fandrosoana tokoa ny vahoaka rehetran’ny Faritra Analamanga », hoy ny nambarany. Ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fiadidiana ny Faritra Analamanga manokana, dia nampanantena rtoa lehiben’ny Faritra, fa hojerena ny hahafahan’izy ireo misitraka ny zony, tahaka ny fisitrahana ireo karazana zo eo anivon’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahina Sosialy (CNaPS), izay natsahatry ny teo aloha ny fandoavana azy.

Lire la suite

Articles Similaires