• Cours de change
  • 5282.45 AR
  • |
  • $4558.6 AR
Copyright Image : © Jeffrey Rakotondralambo
Image
Vaovao

Lahatenin’ny Eveka ho an’ny Noely : Krizin’ny tsy fifampitokisana no misy eto Madagasikara

25/12/2025 09:59 © Moov.Mg

Ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny samy Malagasy. Izany no isan’ny votoatin’ny lahateny fiarahabana nataon’ny Mgr Marie Fabien Samuelin Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava sady filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, amin’izao andron’ny Noely 2025 izao.

Miatrika krizy i Madagasikara

Taona niatrehan’i Madagasikara krizy indray ity taona 2025 madiva hifarana ity, taorian’ireo krizy maro efa nifandimby teto amintsika, taorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena. Ao anatin’ny famaranana ny taon-jaobilin’ny Fanantenanana ny fiangonana Katôlika, nefa etsy an-daniny, « miatrika krizy i Madagasikara : ara-tsosialy, ara-politika, ara-toekarena sy ara-ekôlôjika », hoy ny Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara. Na izany aza anefa ny zava-misy, dia nitondra teny fankaherezana ho an’ireo mpino izy. Nambarany tamin’izany fa « endrika zazakely no isehoan’i Jesoa amintsika amin’izao Noely izao : marefo, tsy mahavita tena, tsy afa# miaro tena, saingy tsy resin’i Heroda sy ny fahafatesana ».

Fampandrosoana ny maha-olona

Mbola notsipihin’ny filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara fa tsy mahay maka lesona amin’ny tantara isika, matoa mbola miverimberina tahaka izao hatrany ny krizy eto Madagasikara. Raha ny fanazavany, dia ny fahadisoam-panantenan’ny Malagasy, noho ireo fampanantenana poakaty, tsy tanteraka, no isan’ny fototry ny krizy eto amintsika. » Lasa krizin’ny tsy fifampitokisana » no misy eto, hoy izy. Izao krizy iainantsika izao dia mbola manamafy fa « tsy misy fiadanana raha tsy misy fampandrosoana, fampandrosoana ny maha-olona, ny olona manontolo, ny olona rehetra », hoy ny Eveka.

Nomarihin’ny Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, fa isan’ny teo afovoan’ireo krizy rehetra efa nolalovan’i Madagasikara hatrany ny tanora. Noho izany indrindra dia nanafatra izy ny mba hijerena manokana ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora, satria, antoky ny fisian’ny fiadanana eto amin’ny firenena ihany koa ny fahalavorarian’izany fiadanana izany, araka ny nambarany. Ary satria ao anatin’ny dingana fametrahana ny fanavaozana eto Madagasikara ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena, dia nilaza ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara fa tsy misy lalana hafa, afa-tsy ny fifampidinihana ao anatin’ny fahamarinana, no hahafahana miverina amin’ny fifampitokisana indray.

Lire la suite

Articles Similaires