Fambolena : Manana vina ny hamokatra masomboly hatramin’ny 60 taonina ny tantsaha ao Androy sy Anôsy amin’ny 2026
« Velontena mivadika ho harena no kendrena », izany no teny manentana ampiasain’ireo mpamboly ao Androy sy Anôsy, amin’ny asa tanterahiny. Tafiditra ao anatin’ny hanatrarana izany ity vinan’izy ireo amin’ny taona 2026 ity, dia ny hamokatra masomboly voamarina hatramin’ny 60 taonina.
Hotolorana fampiofanana samihafa
Maro ny ezaka efa mandeha sy ny mbola ho avy, hahafahan’izy ireo manatratra izany. Isan’izany ny fampiofanana ireo mpamokatra. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny Fandaharan’asa DEFIS, izay vatsian’ny Fonds International de Développement Agricole (FIDA) ity asa ity. Nisy ny atrikasa notanterahina tao Amboasary sy Betroka, tamin’ity volana desambra ity, ary tao anatin’izany no nivoahan’ity vina ho an’ny taona 2026 ity. Mba hanatrarana izany ary dia tantsaha mpamokatra masomboly miisa 28 sy teknisianina ary mpanara-maso miisa 30 no notolorana fampiofanana tao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro, Amboasary, Betroka ary Bekily.
Niompana tamin’ny teknika afaka zaraina amin’ireo tantsaha eny an-tsehatra no natolotra azy ireo tamin’izany. Ao anatin’izany ny fanapariahana ny teknika fambolena nohatsaraina, indrindra ny PAPRIZ ho an’ny vary an-tanimbary, ny voanjo ary ny tsaramaso. Tao ihany koa ny fampahatsiahivana hentitra ny lalàna mifehy ny famokarana voa (semences) ary ny fifampizaràna traikefa ho fanatsarana ny vokatra azo (rendements). Amin’izao fotoana, araka izany, dia efa afaka hanampy ireo tantsaha, izy ireo.
Efa mahazo rano tsara ny tantsaha
Ity fampiofanana ity dia natao taorian’ny fahazoan’ny tanimboly sy tanimbary rano ara-dalana. Vao tsy ela mantsy no noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny lakan-drano mirefy 37 km izay, natao hamatsiana rano ny fambolena, any an-toerana. Mbola novatsian’ny FIDA, vola ihany koa izany. Raha tsiahivina dia tokantrano mpamokatra miisa 765 no misitraka izany. Izany rehetra izany dia natao mba hanampiana, ireo mponina, indrindra ireo tena marefo mba ho afaka hamokatra, tsara.


