HCC : Noesorina tsy Senatera intsony ny Jeneraly Ravalomanana sy i Lalatiana Rakotondrazafy
Namoaka didim-pitsarana manala mpikambana roa ao amin'ny Antenimierandoholona ny Fitsarana avo Momba ny Lalàmpanorenana (HCC), anio alarobia 24 desambra 2025.
Dimy taona ny taom-piasan'ny Loholon'i Madagasikara iray, araka ny volazan'ny lalàna. Manana andraikitra hamonjy fivoriana nefa ny senatera rehetra, ka mila mitondra porofo atao fialan-tsiny raha toa ka tsy mahatanteraka izany. Noho izany antony izany no nanalàn'ny HCC mpikambana roa, taorian’ny fangatahana nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana.
Jeneraly Richard Ravalomanana
Nanapa-kevitra ny HCC fa tsy anisan'ireo Senatera intsony ny Général de Corpd d'armée Ravalomanana Richard. Tsy tonga nanatrika fivoriana ny tenany, nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa (session budgétaire) teo anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ity taona ity, ary tsy nisy porofo na fampahafantarana ara-dalàna nanamarinany izany tsy fahatongavana izany.
Misafotofoto ny toe-draharaha mikasika azy, satria nisy ny fikasana hisambotra azy teny amin'ny trano fonenany teny Ambatovinaky ny hariva teo. Nisy ihany koa ny taratasy fiantsoana na "convocation", avy amin'ny Toby Ratsimandrava. Anton'izany fiantsoana izany moa ny fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena na "atteinte à la sûreté de l'Etat". Marihana fa efa nivoaka tany ivelan'i Madagasikara ny Jeneraly Ravalomanana, fony nisy savorovoro mafy teto amin'ny firenena. Niverina an-tanindrazana nefa ny tenany, ary nisy sary tamina fiangonana iray nanaporofo izany.
Lalatiana Rakotondrazafy
Namoahan'ny HCC didim-panjakana mampiato azy amin'ny maha-Loholona ihany koa i Lalatiana Henriette Rakotondrazafy, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha. Nisy ny fivoriana tsy natrehiny, izay tsy naharaisana fanazavana na fialan-tsiny. Araka ny lalàna, raha tsy manatrika fivoriana tsy misy antony ekena ny loholona iray, dia heverina ho niala hoazy amin’ny andraikiny.
Hatreto, mbola tsy fantatra mazava ny toerana misy an'i Lalatiana Rakotondrazafy, any ivelan'i Madagasikara. Efa ho 3 volana izao, mangina tanteraka ihany koa ny tenany amin'ny pejiny Facebook. Nitsahatra ihany koa ny orinasan-gazetiny, dia ny FreeNews.


