• Cours de change
  • 5282.45 AR
  • |
  • $4558.6 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsenaben'ny Asa tanana : Fanomezan-danja sy fanohanana ny Vita Malagasy

23/12/2025 13:56 © Moov

Tontosaina etsy amin'ny zaridainan'Anosy ny Grand Salon de Madagascar - Tsenaben'ny Asa tanana, hatramin'ny alarobia 24 desambra 2025.

Vory lanona eny Anosy ireo mpisehatra amin'ny asa tanana Malagasy, eo ambany fiahian'ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, Lily Rafaralahy. Telo andro ny hetsika : 22, 23 sy 24 desambra 2025.

Tsena fety

Samy manatsara ny ao an-tokatranony sy mikarakara vatana avokoa ny rehetra rehefa ankatoky ny fety tahaka izao. Amin'izany indrindra dia toa ireo vokatra afarana avy any ivelany no tena manintona ny maro. Manoloana izany, sarihana manokana ireo mpanjifa mba hanopy maso amin'ireo vokatra Malagasy.
Marobe tokoa ireo asa tanana ampirantiana eny Anosy : akanjo, kiraro, poketra, firavaka, haingon-trano, sns. Tsy mena mitaha amin'ireo vokatra avy any ivelany tokoa ireo entana amidy, na endrika na kalitao. Ireo akora avy eto Madagasikara moa no ampiasain'ireo mpanao asa tanana, ka anisan'izany ny rofia, ny landy, ny hodi-boay sy hoditr'omby.
Maromaro ihany koa ireo misehatra amin'ny fanodinana voankazo sy voninkazo avy eto an-toerana. Misy araka izany ireo vokatra fanatsarana volo sy tarehy, fikarakarana vatana ary fitsaboana aretina samihafa. Sady mamelon-tena moa ireo mpandraharaha no mandray anjara feno amin'ny ekonomiam-pirenena.

Fialamboly sy kilalao

Tsy ho diso anjara ireo ankizy manaraka ny ray aman-dreniny miantsena. Misy kilalao samihafa ao amin'ny zaridainan'Anosy. Karazana "manège" sy lamasinina no hita mandritra ny hetsika.
Ho an'ireo te nanandrana sakafo Malagasy mafilotra, mandray anjara amin'ny fampirantiana ny kalaza amin'ny fanamboarana koba sy sosisy avy any Talata Volonondry.
Manohana ny mpandraharaha Malagasy ny orinasa Yas Madagascar, amin'ny alalan'ny fanohanana izao hetsika Tsenaben'ny Asa tanana izao.

Lire la suite

Articles Similaires