Antananarivo : Hanetsehana olona an’arivony ny fanadiovana ny lakandrano hialana amin’ny tondradrano
Miomana mba tsy hisian’ny tondra-drano ny Koaminina Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao. Olona miisa 2 400 no ahetsika, amin’ny fanadiovana lakandrano.
Fokontany miisa 56 no mpisitraka
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Lalankely III, izay ao anatin’ny Fandaharan’asa PIAA, ity asa fanadiovana, tanterahana manerana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Raha ny fanazavana dia lakandrano mirefy 10km izany ho diovina izany, ary hisitraka toy izany avokoa ny fokontany miisa hatramin’ny 56, izay handalovany. Olona miisa 2 400 no hanatanteraka izany ary hizara roa. Amin’ity taona 2026 dia miisa 1 200 ireo hanadio ny ampahany, raha ho tanterahin’ny olona 1 200 kosa ny ampahany, amin’ny volana janoary 2026. Haharitra 20 andro, ny fanatanterahana ity asa ity.
Mila fitaovana lehibe
Asa tanamaro (HIMO) moa no hanatanteraka ny asa ka soloina vola isan’andro izany. « Araka ny hita dia tanan’olombelona tanteraka no manatanteraka ireto asa ireto. Ampiasaina amin’izany kosa ny angady sy ny fandraofana fako sy ireo fitaovana madinidinika », hoy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo. Manoloana izany, dia tsy voadio hatramin’ny fotony ny lakandrano, ka mety mbola hitarika tondra-drano indray rehefa aoriana kely. Nanazava ny tenany, fa hojerena akaiky miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka, izay hahafahana mampiditra fitaovana lehibe, afaka mikaoka ireo fotaka mifatratra ao anatin’ny lakandrano. « Hatramin’ny 1.5m ny halalin’ny lakandrano, raha ny eto Besarety fotsiny, kanefa eo ho eo amin’ny 50 sentimetatra eo ihany no vita tanana, ka tena ilaina ny « engins » lehibe, amin’ny asa toy izao » hoy hatrany ny Ben’ny Tanàna.
Vahaolana maharitra amin’ny 2027
Marihina moa ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny AFD no mamatsy vola ity tetikasa ity. Ao anatin’izany dia manana vina ny hikaroka vahaolana maharitra, amin’ny fahatsetseman’ny lakandrano, ny Kaominina sy ireo mpiara-miombon’antoka ireo. Hotanterahina ny taona 2026, ny fanaovana ny fanadihadiana, hijerena izay tokony ho soloina na havaozina, toy ny bizo, ohatra. Hanomboka, ny taona 2027, kosa ny asa mifanandrify amin’izany, raha ny fanazavana. Izany rehetra izany no natao, mba hialana amin’ny rano miakatra, rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra, izay saika hita eny amin’ny ambany toerana.


