• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanja Andriamanantena : Nivoaka ny « coffret collector » mirakitra ny asa tanany rehetra hatramin’izay

20/12/2025 15:49 © Moov

Nivoaka, tamin’ny fomba ofisialy, anio 19 desambra, ny « Coffret Collector » an’i Fanja Andriamanantena. Izy tenany mihitsy no nanolotra izany, ampahibemaso, tao amin’i Makay Analamahitsy.

Noho ny tsingerin-taona telo sosona

Tamim-pireharehana tanteraka no nanolorany ity « Coffret Collector » ity, izay namondronany ireo fahatsiarovana niainany niaraka tamin’ny mozika, hatramin’ny nanombohany. Tsingerintaona telo sosona ihany koa no entiny, hankalazaina amin’ny alalan’ny famoahana azy ity. Voalohany ny tsingerin-taona faha-80 nahaterahany, izay feno 80 tanteraka ny 2 aogositra lasa teo. Manaraka izany ny tsingerin-taona faha-60 nilalaovany mozika, ary ny tsingerin-taona faha-20 nisian’ny « Mozika Tsotra Izao ». Araka izany, ity « Coffret Collector » ity dia mirakitra tantara sy zavatra maro be. « Raha mihoatra ireo zava-bitan’ireo namako teo aloha dia kely izy ity saingy tena reharehako satria mirakitra ireo hevitra rehetra tao anatin’ny saiko nandritra izay fotoana ela be izay », hoy izy, tamim-panetren-tena.
Nitohy tamin’ny fampirantiana ireo sary sasan-tsasany nanamarika azy teo amin’ity tontolon’ny mozika ity, ny fotoana, izay haharitra hatramin’ny rahampitso. Hisy ihany koa ireo seho samihafa, hanamarihana ny fotoana.

« Audio », « vidéo » ary sary sy boky

Mizara efatra mazava tsara ny ao anatin’ity « coffret » ity. Boaty kely, izay izy io, ary ahitana « flashdisk » miisa 3 sy boky kely iray. « Flashdisk » voalohany ny « audio » an’ireo hira rehetra nosoratany, ka nohirainy na koa nomeny olona miisa hatramin’ny 120. Hita ao ireo hira tao anatin’ny raki-peony « Ravindohataona » sy « Soa fa tia » ary ireo hira tamin’ny « Mozika tsotra izao » 1, 2, 3. Eo ihany koa ny flashdisk misy ireo « vidéo » izay mirakitra tanteraka ny fampisehoana « Mozika Tsotra Izao » miisa telo, natao tamin’ny taona 2020,2022 ary 2023. Manampy azy ireo ny flashdisk izay ahitana ireo sary nanamarika ny fiainany, niarahany niasa tamin’ireo mpaka sary namany. Isan’izany i Felana Rajaonarivelo, Imagoo, Francky DoVan, Aiky Ratsimanohatra, Mika Sary sy ireo tahirin-tsariny manokana. Farany ao anatin’ity « coffret » ity ny boky kely mitantara ny lalam-piainany. Ahitana ireo tsiambaratelo samihafa, izay tsy ho hita any anatin’ny aterineto mihitsy raha ny nolazainy. Efa azo jifaina ity « Coffret Collector » ity, ary miisa zato ihany no natonta mba ho « pièce unique », hoy izy.

Mitohy ny mozika

« Tsy midika ho fiafaran’ny fanaozavan mozika ny famoahako ity Coffret Collector ity », hoy izy tamin’ny fahazotoana tanteraka. Resy lahatra tanteraka izy fa tsy mitsahatra eto ny fanaovana mozika, fa dingana mankany amin’ny ho avy manaraka indray ity zava-bita ity. Tsara ny manamarika fa mbola mamoron-kira hatrany, ity mpanakanto, manana ny lazany ity, amin’izao fotoana izao.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires