Lapan’Ambohitsorohitra : Nahitana bolongam-bato sarobidy milanja 300 kg
Nahitana bolongam-bato misy emeraoda (émeraude sur gangue), napetraka tamin’ny toerana miafina tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Nampahafantarina ampahibemaso, omaly, ny fisian’ity harena ity, teo anatrehan’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël.
Vato sarobidy sy tena lafo vidy
Vato emeraoda, mbola miraikitra amin’ny vato voajanahary, no hita tao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, ary voalaza fa efa hatramin’ny taona 2009 no nametrahana azy tamin’ny toerana miafina, ao amin’io lapa io. Milanja any ho any amin’ny 300 kg io « émeraude sur gangue » io, ary mbola eo am-panatanterahana ny fanadihadiana misimisy kokoa mombamomba azy amin’ny ankapobeny sy ny kalitaony ireo teknisianina manam-pahizana momba ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Raha ny tombana, hatreto, dia manodidina ny iray ampahatelony amin’ity vato ity no tena emeraoda madio, izay sokajiana ho vato sarobidy sy tena lafo vidy.
Nanao ny fizahana ity vato ity teny Ambohitsorohitra ny avy eo anivon'ny Polisin'ny Harena An-kibon'ny Tany, niaraka tamin’ny Minisitry ny harena an-kibon'ny tany, Andriamparany Carl, omaly 18 novambra 2025. Nanatrika izany ihany koa ny filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny mpanolotsaina avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Rabearimanana Lucien.
Havadik ho vola
Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, fa ho fanajana ny mangarahara, izay isan’ny fototra ijoroan’izao fitondrana izao, no antony nampahafantarana ny fisian’ity vato sarobidy ity ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra. Tsy mbola fantatra mazava moa ny lalana nodiaviny sy ny antony nahatonga azy tao. Nilaza kosa ny kolonely Rabearimanana Lucien, izay mpanolotsaina avo misahana ny harena stratejika, fa handray andraikitra tanteraka amin’ny famadihana ny vato ho tonga vola ny Fanjakana, ho entina manampy amin’ny asa fampandrosoana.
Raha ny nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany, Andriamparany Carl moa, dia misy mpanangona (collectionneur), mitady ny karazana «émeraude sur gangue » tahaka izao, any ivelany any. Misy mividy manodidina ny 70 euros ny « emeraude sur gangue » milanja 10g, raha ny hita amin’ny aterineto, fa arakaraky ny kalitaony ihany koa ny vidiny. Ity hita tao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ity no heverina ho karazam-bato « emeraude sur gangue » lehibe indrindra hita teto Madagasikara hatreto.



