Olan’ny jiro : Najanona ny fampiasana ny milina 105 MW, hamboarina ny CTA 2 Ambohimanambola
Ilaina vola ny fanarenana ny olan’ny jiro eto Antananarivo sy manerana ny faritra. Nanambara ny Filoham-panjakana Mickael Randrianirina omaly fa najanona ny tetikasa milina 105MW, izay sady ela no mandany kokoa.
Harafesina ireo milina
Novidiana lafo tany Inde ireo milina lehibe heverina hamokatra herinaratra hatramin’ny 105MW ireo, izay milanja hatramin’ny 70 taonina. Nanamafy anefa ny Filoham-panjakana, omaly fa tsy ho ampiasaina indray izy ireo na dia efa misy iray tafiakatra eto Antananarivo aza. Arafesina ireo milina ireo, hoy ny fanazavana satria efa roa taona izy ireo no tonga tao Toamasina, ka mbola nijanona tao fotsiny. « Mandany vola kokoa ny manamboatra azy ireo sady mbola elaela vao vita. Nanapakevitra izahay hoe ilay mpihary herinaratra avy amin’ny riandrano CTA 2 ao Ambohimanambola aloha no handaniana vola sy amboarina satria io no vetivety kokoa. Mila vahaolana maika mantsy ny olan’ny jiro », hoy hatrany ity Filoham-panjakana ity.
Herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina
Niaiky ihany koa i Kolonely Mickael Randrianirina fa tsy afaka miantehatra betsaka intsony amin’ny rano i Madagasikara, amin’ny sehatry ny famokarana angovo. « Vahaolana maika ihany io ary vao mainka handany ny volantsika amin’ny solika hampiodinana azy », hoy izy. Ka araka izany dia hifantohana ny famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Tsy ny avy amin’ny herin’ny masoandro irery ihany izany, fa ireo angovo azo havaozina rehetra.
Nilaza ny fahavononany ny amin’ny fanohizana ny tetikasa Sahofika sy Volobe izy, mba hanampiana ny herinaratra miasa manerana ny Nosy. « Raha efa natao efa ela ireo tsy nisy ireny hetsika tamin’ny 25 septambra ireny, » hoy hatrany ity Kolonely ity nanamafy.



