• Cours de change
  • 5091.89 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Politika ankapoben’ny Fanjakana : Asa maika ny fikaonan-doham-pirenena, fitsapa-kevi-bahoaka ary fifidianana Filoha

18/11/2025 14:47 © Moov

Voalaza ao anatin’ny andiany faha-99 ao amin’ny Lalam-panorenana fa 30 andro aorian’ny nanendrena azy no hanoloran’ny Praminisitra, ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny Politika ankapobeny ho an’ny fanavaozana ifotony. Nanatanteraka izany teny amin’ny Antenimierampirenena, ny tenany androany, notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Tetiandro ao anatin’ny roa taona

Raha tsiahivina ny andron’ny 14 oktobra dia nilaza ny Filoham-panjakana, ny Kolonely Michael Randrianirina fa 2 taona no hitondran’izy ireo. Araka izany, manana roa taona ihany koa ny Governemanta hanatanterahana ny fanovana. Tamin’ny famelabelarana ity Politikam-panjakana ity dia nisongadina ny fanazavana ny tetiandro hamitana izany 24 volana izany. Isan’ny asa ho tanterahina ao anatin’izany ny fikaonandoham-pirenena, izay ho tanterahina ao anatin’ny 5 volana voalohany. Izy io no hitondra ny drafitra entina miasa aorian’izany. Nanazava ny Praiminisitra,Herintsalama Rajaonarivelo, fa tsy ny FFKM irery ihany no hitondra ny asa amin’izany fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo Ray aman-dreny lehibe sy ireo olobe ary ny sehatra tsy miankina. Aorian’izany dia hisy ny fanavaozana ny rafitra ara-pifidianana izay ho tanterahina ao amin’ny fahenina hatramin’ny faha-roa ambiny folo volana. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny CENI ao anatin’izany. Ho tanterahina eo anelanelan’ny faharoa ambiny folo hatramin’ny fahadimy ambiny folo volana kosa ny fitsapa-kevi-bahoaka. Izany no hatao mba hanitsiana ny lalam-panorenana sy hametrahana indray ny fanjakana tan-dalàna. Aorian’izany kosa no hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena, izay atao eo anelanelan’ny fahadimy ambiny folo hatramin’ny fahavalo ambiny folo volana. Nanamafy kosa ity Praiminisitra ity fa hifarana eo amin’ny fifamindram-pahefana araka ny lalàna sy ny fahitsiana ny asa izay hiandraiketan’izy ireo.

Drafitra avy amin’ny fitakian’ny vahoaka

Isan’ny nohamafisin’ity Praiminisitra ity fa hamaliana ireo fitakiana izay nataon’ireo mpitolona teny an-kianja ity drafitra ho apetraka ity. Araka izany, niompanan’ny fanambarana ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano sy ny fandriam-pahalemana. Izany no hatao, hoy hatrany ny fanazavana mba hamerenana ny filaminana ara-politika sy ara-tsosialy maharitra ary ihany koa hamerenana fitokisana amin’ny andrim-panjakana. Ity farany ity izay ho tanterahina amin’ny alalan’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanomezan-danja ny mangaraharaha amin’ny asa rehetra izay ho tanterahina.

Fanovan-drafitra hatrany amin’ny fotony

Ao anatin’izany fanovana tiana ho tanterahina izany, ihany koa dia nanamafy ity Filohan’ny Governemanta ity fa ho asiam-panavaozana avokoa ny rafitra rehetra, manomboka any amin’ny fototra. Tanjon’izany ny hanangana Madagasikara ara-drariny sy mitsinjo ny rehetra. « Mba hahazo toky ny Malagasy rehetra fa manana ho avy azony hianteherana izy ireo eto amin’ny taniny », hoy ny fanazavana. Ny ho atsangana amin’izany dia fanjakana ara-drariny, ara-pahamarinan ary fanjakana mahavita sy fiaraha-monina mitazona ny soatoavina tena malagasy.
Eo amin’ny lafiny ara-toekarena kosa dia tanjona ny mba hananana toekarena mahavokatra. Afaka mifaninana ara-drariny ny rehetra sy mahaforona asa maharitra amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny harena eto an-toerana. Ho malagasy misandrahaka amin’ny seha-pihariana maro, izay manome sehatra ny tanora sy vehivavy, ihany koa no hisy eto. Nomarihin’ny Praiminisitra fa tsy ho vitan’ny Governemanta irery ihany ny fanavaozana ifotony fa ilaina ny fiaraha-mientana, indrindra ny tanora sy ny vehivavy ary ny vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana sy ny sehatra tsy miankina.

Lire la suite

Articles Similaires