Fanavaozana : Hiainga avy amin’ny fikaonan-doham-pirenena ny tondro zotra hanatanterahana ny fanovana
Nanatanteraka resadresaka niaraka tamin’ny solontenan’ny olom-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Mickael Randrianirina. Isan’ny niompanan’ny resaka ny momba ny ho tena fanavaozana tokoa, izay ho tanterahina eto Madagasikara.
Havoaka avy amin’ny fikaonan-doha ny drafitra enti-miasa
Isan’ny voalazan’ity Filohan’ny fanavaozana ity, nandritra ny fiainany, handraisany ny toerana maha-filoha azy ny hitondra ny fanovana tanteraka eto Madagasikara. Nanambara ny tenany androany, fa tsy vitan’olon-tokana izany, fa an’ny Malagasy tsivakivolo. Izany indrindra no hanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena. Efa misy ny teti-bola hanatanterahana izany, hoy hatrany ny Filoha, ary ny avy ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagaikara (FFKM) no hitarika izany. « Nosafidiana manokana ny FFKM satria izy ireo irery ihany no fikambanana afaka mifandray amin’ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara », hoy ny Kolonely Mickael Randrianirina, nanazava izany fanapahan-kevitra izany.
Ho angatahina amin’ny Malagasy rehetra izay maharary azy mba hahafahana mikaro-bahaolana. Hiainga avy any amin’ny faritra tsirairay ny fikaonan-doha vao ho aravona miaraka. Izay hevitra tapaka ao anatin’izany no hamaritra ny tondro-zotra, ao anatin’ny roa taona, hitondrana ny fanovana. Nanamafy ny Filoha fa handray anjara amin’izany avokoa ny hery velona rehetra, na ireo avy amin’ny fanoherana aza.
Fanovana toe-tsaina
Roa taona no fotoana hananan’ireto avy ao amin’ny fanovana ireto hahatrarana izay tanjona izay. Nanamafy izy ireo fa tsy vita vetivety izany fa efa misy ny asa mandeha. Ao anatin’izany ny fanavaozana ny toe-tsaina, izay nanambara ny Filoha fa isan’ny manimba ny firenena amin’izao fotoana izao ny fahasimban’ny teo-tsaina. Nanambara ny tenany fa isan’ny toe-tsaina efa miova tsikelikely, izay ho atao ny fanafoanana ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra sy ny ady amin’ny tsy maty manota. « Raha tsy miova ny toe-tsaina sy ny toe-panahy dia ho heri-po very maina ny ezaka fanavaozana », hoy hatrany ny Filoham-panjakana.
Mandeha tsikelikely araka izany ny fanovana, raha ny fanamarihana. Manam-pinoana kosa ireto ao amin’ny fitondrana ireto fa ho tratra io tanjona fanovana io ao anatin’izany roa taona izany.



