• Cours de change
  • 5097.01 AR
  • |
  • $4464.44 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanovana : Minisitra miisa 6 voaantso eny amin’ny Antenimierampirenena

16/11/2025 08:42 © Moov

Nanao fanambarana ofisialy ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa hampiantso minisitra miisa 6, rahampitso alatsinainy. Anton’izany ny fahefana feno, izay hananan’izy ireo hiantso sy hanontany ny Minisitra momba ireo olana lehibe iainan’ny firenena sy ny vahaolana tokony ho raisin’ny Governemanta.

Hikaro-bahaolana amin’ireo filàna fototra

Tanjon’izao fitondrana mipetraka amin’izao fotoana izao ny hamaha ireo olana fototra misy eto amin’ny firenena, hiainan’ny malagasy. Ireo minisitra miandraikitra izany indrindra ireto hampanantsoina ireto. Ao anatin’izany ny Minisitry ny Asa Vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Dr Monira Managna sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Karena Elis Hanitriniaina. Mbola isan’ny ho voaantso ihany koa ny Minisitry ny angovo sy akoran’afo, Ralitera Ny Ando Jurice, sy ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, i Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia ary ny Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray.
Nosafidiana manokana ireto minisitera ireto, raha ny fanambarana mba ho arahimaso, mba ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra. « Amin’izao fotoana izao, efa nametraka fanovana hentitra eo anivon’ny Antenimierampirenena izahay, fanovana natao ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra. Fanovana mikendry ny hisokafan’ny rafitra, ny hamerenana ny mangarahara, ary ny hanamafisana ny fahefana ara-dalàna hanara-maso ny asa sy ny fitantanan’ny mpanatanteraka », hoy ny fanambaran’ny Filohan’ity Andrim-panjakana ity, nanazava izao fanapahan-kevitra izao.

Fivoriana hitakiana vahaolana

Roa taona no fe-potoana napetraky ny avy ao amin’ny fitondrana hanatanterahana ny fanovana, raha tsiahivina. Vahaolana haingana sy mahomby no takian’ny Malagasy amin’izany. Tsy ho fivoriana fombafomba ihany, araka izany ity hatao ity, raha ny fanazavana fa fivoriana hitakiana valiny sy vahaolana mazava. Ho takin’ny Antenimiera amin’izany ny vahaolana mivantana, mazava, ary azo tanterahina. Eo ihany koa ny fe-potoana hentitra sy voafaritra hanatanterahana izany ary ny fomba ahafahan’ny Antenimiera manara-maso sy mandrefy ny zava-bita.
Nanamafy ny avy ao amin’ny Antenimierampirenena fa ho fanajana ny mangarahara sy ny zon’ny Vahoaka hahalala, dia halefa mivantana amin’ny fahitalavitra Malagasy ity fivoriana ity. Izany dia mba hahafahan’ny tsirairay mahita sy mandinika ny andraikitry ny Minisitra tsirairay sy ny asan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires