• Cours de change
  • 5187.19 AR
  • |
  • $4515.35 AR
Copyright Image : © Chu Jra
Image
Vaovao

HJRA : Tsy maharaka ireo mpitsabo, mihena ny isan'ireo marary azo raisina

27/10/2025 16:18 © Moov

Misedra olana ny ankamaroan'ireo hopitalim-panjakana. 3 herinandro teo ho eo izay no nanomboka fitokonana ireo "Internes", ka ireo dokotera mpiasam-panjakana sisa no tena miasa.

"Tsy araka intsony ny asa rehetra eto anivon'ny hopitaly", hoy ireo dokotera mpiasam-panjakana eo anivon'ny HJRA. Marobe ireo "Internes" tsy miasa, noho ny fiandrasan'izy ireo ny valin'ny fitakiana nataony. Tsara rahateo ny mampahatsiahy fa 70% ireo "internes" miasa ao amin'izany hopitaly izany.

"Service minimum"

Manamafy ireo dokotera eo anivon'ny HJRA fa mihatra hatrany ny "service minimum". Araka izany, ny "Urgence vitale" na "Vonjy Taitra mihatra aman'aina" ihany no ho raisina. Mihena ihany koa ny isan'ireo marary azo hampidirina hopitaly. Voafetra ihany koa ny isan'ireo azo raisina amin'ny fitiliana sy ny fitarafana.
Manaitra ireo tompon'andraikitra ny eo anivon'ny HJRA mba hitady vahaolana maika sy maharitra ho an'ireo "Internes" sy ireo mpiasan'ny fahasalamana manatanteraka fitokonana. 72 ora ny fe-potoana omen'ireo dokotera ireo hamahana ny olana misy. Iaraha-mahalala mantsy fa miantoka aina maro ny fitsaboana.

Lire la suite

Articles Similaires