Fialantsasatra any Mahajanga : Ireo toerana mahafinaritra azo ialana voly sy tsidihana
Ny hilalao ranomasina no tena masaka ao an-doha rehefa misafidy an'i Mahajanga amin'ny fialantsasatra toy izao. Maromaro ireo fialam-boly azo tao ankoatry ny mandeha eny amin'ny Plage.
Anisan'ireo toeram-pizahantany hipoka olona i Mahajanga rehefa fotoam-pialantsasatra toy izao. Ireo avy eto an-drenivohitra no tena misafidy io toerana io, noho izy tany mafana sady manana torapasika midadasika. Tsara ny mampahafantatra fa tsy ny ranomasina ihany no azo sitrahina ao Mahajanga, satria maro ireo toerana mahaliana : azo atao tsara ny mijery Gidro ohatra.
Torapasika azo isafidianana
Miisa 3 ireo torapasika tena be mpitsidika ao Mahajanga : ny Petite Plage sy ny Grand-Pavois, samy eny Amborovy, ary ny Plage eny amin'ny Village Touristique. Ny eny Amborovy moa dia efa misy fipetrapetrahana azo hofaina, ka ao anatin'izany ny latabatra, ny seza sy ny fandriana hitsotsorana. Be mpivarotra sakafo ihany koa eny an-toerana, izay hanararaotana hihinanana trondro na crevette sy lasary papay. Tsy adino ny masikita rehefa harivariva. Fotoana favokaran'ny akondro, ny melon d'eau, ny pastèque, ny papaye sy ny voasary ihany koa izao vanim-potoana somary mangatsiaka izao.
Ny eny amin'ny Village Touristique no azo lazaina fa madio kokoa, sady misy fandaminana manokana. Raha te hisakafo na hiala hetaheta ireo mpitsangatsangana dia mamonjy ny mpivarotra Coco na ireo trano fisakafoanana eny am-pita.
Cirque Rouge
Misy toerana mahafinaritra tsy mena mitaha amin'ny any ivelany ao Mahajanga, lalana 10 minitra miala ny Grand-Pavois. Misy vatobe miloko mena ao amin’io toerana io, toy ireny « Grand Canyon » ireny. Rehefa antonina akaiky ireo vato ireo dia misy loko mahafinaritra maromaro : mavokely tanora, mavokely antitra, mena antitra ary volombolamena.
Ahitana rano mandeha fotsy mangatsakatsaka ihany koa ao an-toerana, izay rano avy amin’ireo tendrombohitra avo. Io rano io moa dia natao « hidiovana » amin’ireo mpandala ny fomban-drazana. Misy faritra fangataham-pitahian’ireo Sakalavan’i Boeny ihany koa ao an-toerana.
Lac Sacré Mangatsa
Amin’ny maha-toerana « sacré » na manankasina azy, toerana fanaovana fombafomba ara-koltoraly izy io. Misy vala fangataham-pitahiana miisa roa manodidina ny rano, dia an’ny Zafinimena sy Zafinifotsy. Tsy voatery manatanteraka fomba sakalava nefa rehefa tonga ao. Azo atao fotsiny ny mankafy ireo biby anatin’ilay farihy. Madio tsara ny rano ka tazana avokoa ireo karazan-trondro mivelona ao, anisan’izany ny Capitaine sy ny Amalona. Misy voay mivelona ihany koa ao anatin’ilay rano.
Rehefa vita ny fitsidihana ny rano dia miditra amina alaala iray. Misy fianakaviana sifaka maromaro ao. Azo antonina tsara moa ireo biby ireo, sady efa misy sakafo voatokana azo atolotra azy ireo toy ny akondro sy mangahazo.
Jardin Damour
Eny ambonin'ny Bord, La Corniche, no misy io zaridaina mahafinaritra io. Eny no fandehanan'ireo te hahatazana ny hatsaran'ny filentiky ny masoandro. Misy seza azo ipetrapetrahana ny toerana, sady misy kilalao ihany koa ho an'ireo mitondra ankizy. Misy toeram-pivarotana sakafo sy zava-pisotro eo anilan'ilay zaridaina.
I M. DAMOUR, teratany vahiny, no nanorina io zaridaina io tamin'ny taona 1 930. Mazava ho azy, nisy hatrany ny fikarakarana sy ny fanavaozana mba hanintonana ireo mpizahatany sy mpialasasatra ao Mahajanga.
Dia lavitra kokoa
Raha hijanona ao Mahajanga mihoatra ny herinandro, mbola maromaro ireo toerana mendrika tsidihina :
-Grotte Anjohibe, lavabato mahavariana any ambanin'ny tany. 60 kilometatra miala an'i Mahajanga no misy azy, ary fiara avo 4x4 no ilaina. Ny volana aprily hatramin'ny oktobra no azo anatanterahana ny fitsidihana ;
-Parc Antrema, 6 kilometatra mila an'i Katsepy. Misy ala matevina ao an-toerana, izay itoeran'ny karazam-biby mampiavaka an'i Madagasikara. Anisan'izany ny sifaka sy ny voronkely isan-karazany.